Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

JW BROADCASTING

Hanova ny Firafitra ao Amin’ny Ordinatera na Tablette na Smartphone Ampiasainao

Hanova ny Firafitra ao Amin’ny Ordinatera na Tablette na Smartphone Ampiasainao

Afaka manovaova ny fandehan’ny tv.jw.org ianao, ao amin’ilay hoe Firafitra.

Tsindrio eo amin’ilay sary kely mampiseho ny Firafitra, ary araho ireto dingana manaraka ireto:

Fanamarihana: Mihatra amin’izay fitaovana entin-tanana sy izay programa fijerenao Internet nampidiranao azy ihany ireo zavatra nofidinao ireo. Raha fafanao ny cache dia mety hiverina amin’ny taloha ireo rehetra ireo.

 Hifidy ny hatsaran’ny sary

  • Tsindrio eo amin’izay hatsaran’ny sary tianao.

  • Tsindrio ny Hitahiry, amin’izay dia hotadidiny ny safidy nataonao.

Inona no dikan’ireo tarehimarika? Ny hatsaran’ny sary isaky ny efamira kely, izay mahatonga ny sary hivoaka tsara kokoa na tsia. Arakaraka ny maha ambony an’ilay tarehimarika no maha tsara ny sary mivoaka, nefa koa ilana Internet haingam-pandeha kokoa.

Hazavaina tsirairay eto amin’ity tabilao ity izany:

Hatsarany

Fanazavana

240p

Ambany indrindra. Mety tsara amin’ny fitaovana entin-tanana misy efijery kely.

360p

Ambany. Mety tsara amin’ny fitaovana entin-tanana misy efijery kely.

480p

Antonony. Mety tsara amin’ny tablette, efijerin’ordinatera, ary tele antonontonony.

720p

Tsara (HD na High Definition). Mety tsara amin’ny efijerin’ny ordinatera mamoaka sary 1024x768, fara faharatsiny, na tele HD (HDTV) mamoaka sary 1280x720.

1080p

Tsara indrindra (HD). Mety tsara amin’ny efijerin’ordinatera mamoaka sary mitsangana 1080 pixels, fara faharatsiny, na HDTV mamoaka sary 1920x1080.

Rehefa inona no mila ovana ny hatsaran’ny video? Raha miadana be ny Internet ampiasainao ka mikatso matetika ny video jerenao, dia tokony hampidinina angamba ny hatsaran’ny sary. Ataovy amin’izay mety indrindra amin’ny ordinatera na fitaovana hafa ampiasainao izany. Raha te hitsitsy vola amin’ny fampiasana Internet koa ianao, dia mety ho tsara kokoa raha atao ambanimbany ny hatsaran’ny sary.

Inona no vokatry ny fanovana ataonao ao amin’ny Firafitra? Tsy hampiakatra ny hatsaran’ny video handeha ao aminao ny tv.jw.org, fa izay nofidinao ihany no halefany. (Jereo ilay hoe Hijery Tele Mivantana ao Amin’ny TV.JW.ORG.)

Izay mety indrindra amin’ny haben’ny efijerin’ny ordinateranao na ny fitaovana ampiasainao no fidin’ny tv.jw.org raha mifidy an’ilay hoe Mandeha ho Azy ianao.

 Hamoaka ny soratra eny ambany na tsia

Misy soratra eny ambany ny video sasany. Mitovy fiteny amin’ilay video izy ireny.

  • Asio marika ilay hoe Soratra eny Ambany, Raha Misy raha tianao hiseho izy ireny.

  • Esory kosa ilay marika raha tsy tianao hiseho intsony izy ireny.

  • Tsindrio ny Hitahiry, amin’izay dia hotadidiny ny safidy nataonao.

Fanamarihana: Mihatra amin’izay video rehetra misy soratra eny ambany io, na ao amin’ny Video Rehetra na ao amin’ny Mivantana no ijerenao azy.

 Hifidy ny tele tianao manokana

Izay tele nojerenao farany ihany no hisokatra rehefa miverina ao amin’ny Mivantana ianao.

Mety hisy tele tianao hisokatra avy hatrany anefa isaky ny mifidy ny Mivantana ianao, ao amin’ny fitaovana ampiasainao. Raha manan-janaka, ohatra, ianao, dia mety ho tianao raha ilay Ankizy no misokatra avy hatrany ao amin’ny tablette ampiasain’ny zanakao kely.

  • Mankanesa ao amin’ny Firafitra ary fidio ny anaran’izay tele tianao hisokatra avy hatrany rehefa mijery ny Mivantana ianao.

  • Raha tianao hiverina amin’ny taloha kosa ilay firafitra, dia fidio ilay hoe Atomboka amin’izay nofidiko farany.

  • Tsindrio ny Hitahiry, amin’izay dia hotadidiny ny safidy nataonao.