Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

TRANONKALA JW.ORG

Fampiasana ny Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah

Fampiasana ny Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah

Henoy ireo hira ao amin’ny fihiranantsika ary jereo ny tonony.

 Haka fihirana

Midira ao amin’ny ZAVATRA MISY > MOZIKA

Tsindrio ilay sary mampiseho Lahatsoratra eo ambanin’ilay fihirana, dia hisokatra ilay hoe Handika.

Ho hitanao eo hoe inona avy ny endrika elektronika azo akana an’ilay fihirana.

  • Tsindrio izay endrika elektronika tianao halaina, eo ambanin’ny lohatenin’ilay fihirana. Tsindrio, ohatra, ilay hoe “PDF” raha tianao ho hita izay PDF azo alaina.

  • Tsindrio ilay fandikana rakitra eo akaikin’ny lohateny eo ambany. Efa misoratra eo ny haben’ilay rakitra.

 Handefa na haka feon-kira

Raha efa misy amin’ny fiteninareo ny feon-kiran’ilay fihirana, dia hiseho eo akaikin’ilay fihirana izany, ao amin’ny ZAVATRA MISY > MOZIKA

Tsindrio ilay sary mampiseho Fitaovana Fihainoana, dia hiseho ilay hoe Handefa & Haka.

Afaka mandefa hira iray na maromaro ianao, ao amin’ilay hoe Handefa & Haka.

  • Tsindrio ilay Handefa eo amin’ny sary mampiseho Raki-peo raha te hihaino an’ilay fihirana hatramin’ny voalohany ianao.

  • Tsindrio ilay Handefa eo akaikin’ny lohatenin’ny hira iray raha te hihaino an’iny hira iny ianao.

Rehefa tapitra ny hira iray dia mandeha ny manaraka, mandra-pahatapitr’ilay fihirana.

Afaka maka ny raki-peon’ilay fihirana manontolo na ny an’ny hira tsirairay koa ianao, eo amin’ilay hoe Handefa & Haka.

  • Tsindrio ilay hoe ZIP raha te haka ny raki-peon’ilay fihirana manontolo ianao. Efa misoratra eo ny haben’ilay rakitra amin’ny fitambarany.

  • Tsindrio ilay hoe MP3 eo akaikin’ny hira iray raha te haka ny raki-peon’iny hira iny ianao. Efa misoratra eo ny haben’ilay rakitra.

Hikaroka, handefa, ary hijery hira

 Midira ao amin’ny ZAVATRA MISY > MOZIKA

Tsindrio eo amin’ilay fihirana na eo amin’ilay feon-kira, dia hisokatra ilay pejy hoe Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah.

Ho hitanao eo ny hira tianao hojerena na hohenoina.

Asio marika eo amin’ilay hoe Alefa Mitohy, dia handeha daholo ny hira ao. Hijanona ilay izy rehefa avy nandeha ny hira rehetra.

Asio marika ilay hoe Tsy Milahatra, dia handeha daholo ny hira nefa tsy hilahatra. Hijanona ilay izy rehefa avy nandeha ny hira rehetra.

Maro ny zavatra azo atao eo amin’ilay sary mampiseho Raki-peo:

  • Tsindrio ny Handefa raha tianao halefa hatramin’ny voalohany ny Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah. Azonao tsindriana koa ny Handefa eo akaikin’ny lohatenin’ny hira iray raha iny no tianao hohenoina.

  • Tsindrio ny Hampiato raha tianao haato ilay izy. Avereno tsindriana ny Handefa raha tianao hotohizina ilay izy.

  • Azo akisaka mankeo aloha na mankeo aoriana ny bokotr’ilay raki-peo, raha tianao haroso na hahemotra ilay feon-kira.

  • Na ilay Alefa Mitohy na ilay Tsy Milahatra no nasianao marika, dia azonao tsindriana ilay sary mampiseho hoe Hiverina mba hihainoana ny hira teo aloha.

  • Na ilay Alefa Mitohy na ilay Tsy Milahatra no nasianao marika, dia azonao tsindriana ilay sary mampiseho hoe Manaraka mba hihainoana ny hira manaraka.

  • Tsindrio ilay sarina Fanamafisam-peo mba hanapihana ny feo. Mbola handeha ihany ilay hira fa tsy misy feo fotsiny.

  • Avereno tsindriana ilay sarina Fanamafisam-peo dia handeha ny feo.

Hijanona eo amin’ny farany ambony eo foana ilay sary mampiseho Raki-peo na miaka-midina amin’ilay pejy aza ianao. Ho afaka hampiato sy hanohy an’ilay raki-peo ianao, amin’izay, na aiza na aiza misy anao ao amin’ilay pejy.

Misy fomba roa azo ijerena ny hira ao amin’ny Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah: Mifanakaiky sy Ambony Ambany.

  • Tsindrio ilay Ambony Ambany raha tianao hilahatra ambony ambany ny laharan’ny hira sy ny lohateniny. Tonga dia hilahatra toy izany izy ireo raha mbola tsy nokitihinao.

  • Raha ilay ambony ambany no ijerenao azy, dia tsindrio ny Handefa eo akaikin’ny lohatenin’ilay hira raha te hihaino azy ianao, na tsindrio ilay lohateny raha te hijery ny tononkira ianao.

  • Tsindrio ilay Mifanakaiky raha tianao ho hita tambabe toy ny anaty tabilao ny laharan’ny hira rehetra. Tsindrio ny laharan’ny hira iray, dia hiseho ny tonony.

Hijery tononkira

Raha efa ato amin’ny Internet ny tononkiran’ilay fihirana, dia tsindrio ny laharan’ny hira iray na ny lohateniny mba hahitana ny tonony.

 Ampiasao ilay fanaovana Fikarohana eo ambanin’ilay sary mampiseho Raki-peo, raha te hitady hira ianao.

  • Tsindrio ilay faritra fanaovana fikarohana, dia hiseho ny laharan’ny hira sy ny lohateniny.

  • Soraty ny laharan’ny hira na ny ampahany amin’ny lohateniny, dia izay hira misy an’ilay nosoratanao ihany no hiseho.

  • Mifidiana hira iray eo amin’ilay lisitra mba hahitana ny tonony.

Fidio izay fomba tianao hijerena ny tononkira:

  • Jerena toy ny mijery soratra. Io no tonga dia hiseho raha vao sokafanao ilay tonony. Afaka manokatra ny andinin-teny ao ianao amin’izay. Raha alefanao ny feony, dia hiloko ny andalana mifanitsy amin’ilay feon-kira.

  • Jerena toy ny mijery sary. Misy naoty ilay hira amin’izay sady lasa sary. Tsindrio ilay izy dia hisokatra amin’ny Fijerena Sary. Azonao ovaovana ny habeny. Ampiasao ireo sary kely Fanalehibeazana sy Fanakelezana, na alehibeazo sy akelezo amin’ny rantsantananao ilay izy raha kitihina eo amin’ny efijery ny fitaovana ampiasainao.