Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA HOE

Inona no Hataoko mba Tsy Halahelo Be Hoatr’izao Aho?

Inona no Hataoko mba Tsy Halahelo Be Hoatr’izao Aho?

“Rehefa ny hafa no kivy, dia manampy sy mampahery foana aho. Tsisy mahalala hoe izaho ity ange ka kivy koa! Vao tonga ao an-trano aho dia mitomany.”—Kellie.

“Tsy te hahita n’iza n’iza aho rehefa kivy. Mahita tetika tsy handehanana foana aho, rehefa misy manasa ahy. Tsy hita mihitsy hoe malahelo aho. Na ny ao an-trano aza tsy mahalala.”—Eric.

Malahelo koa ve ianao? Aza mieritreritra hoe ankizy hafahafa ianao. Mety halahelo daholo mantsy isika indraindray. Na ny mpanompon’Andriamanitra fahiny aza mba kivy koa.—1 Samoela 1:6-8; Salamo 35:14.

Indraindray fantatrao ny antony mampalahelo anao, fa indraindray tsy azonao mihitsy. Hoy i Alisoa, 19 taona: “Tsy voatery hoe manana olana be ianao vao malahelo. Tsisy n’inona n’inona akory indraindray, dia malahelo ianao. Hafahafa ilay izy, nefa izany mihitsy no mahazo ahy.”

Inona àry no azonao atao, na fantatrao na tsia ny antony mampalahelo anao?

  1. Resaho ilay izy. Nilaza i Joba fa noresahiny izay tao am-pony, tamin’izy kivy be.—Joba 10:1.

    Kellie: “Noresahiko ilay izy, dia lasa tsy mafy be intsony. Faly aho hoe mba nisy nahalala ihany ny nahazo ahy. Hoatran’ny hoe tao anaty lavaka be aho, dia iny fa nisy nandefa tady sy nampakatra ahy!”

  2. Soraty izay ao am-ponao. Nalahelo be i Davida indraindray, ka nosoratany tao amin’ny bokin’ny Salamo ilay izy. (Salamo 6:6) Malahelo koa ve ianao ka kivy be? Andramo soratana izay ao am-ponao. Ho ‘hendry sy hahay hisaina’ ianao amin’izay, izany hoe hahalala izay tokony hataonao.—Ohabolana 3:21.

    Ando: “Rehefa soratanao izay mampalahelo anao, dia milamina kokoa ny sainao. Lasa zakanao koa ny alahelonao sady azonao ny antony.”

  3. Mivavaha. Milaza ny Baiboly fa raha manana olana ianao ka mivavaka, dia ‘hiambina ny fonao sy ny sainao ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.’—Filipianina 4:6, 7.

    Tiana: “Tsy azoko mihitsy tamin’ny voalohany hoe maninona aho no kivy. Leo be aho, dia nivavaka tamin’i Jehovah hoe: ‘Ampio aho mba ho falifaly.’ Tsy nalahelo be intsony aho avy eo. Mivavaha foana fa manampy ilay izy!”

    Soso-kevitra: Azonao atao, ohatra, ny manao vavaka mitovitovy amin’ny Salamo 139:23, 24. Resaho amin’i Jehovah izay rehetra ao am-ponao, ary iangavio izy hanampy anao hamantatra ny antony mampalahelo anao.

Misy tantara maro afaka manampy anao koa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Vakio izy ireny, ary eritrereto hoe inona ny hevitra mampahery ao amin’ilay izy. Ho hitanao fa tsy ho kivy be intsony ianao.—Salamo 1:1-3.

Ahoana raha tsy mety afaka ilay izy?

Hoy i Ryan: “Tsy te hiala eo am-pandriana aho indraindray, satria hoatran’ny tsy mandeha mihitsy ny fiainako.” Kivy be i Ryan, ary efa lasa aretina ilay izy. Tsy izy irery no voan’izany. Voalaza fa ny ampahefatry ny tanora no ketraka lava.

Ahoana no ahalalana hoe tsy alahelo tsotra ilay izy fa efa lasa aretina? Mitokantokana, ohatra, ilay olona, malahelo tampoka dia faly tampoka, kamo manao zavatra, malain-komana na mazoto homana be, tsy mahita tory na be torimaso, mahatsiaro tena ho tsy misy dikany, na manamelo-tena tsy amin’antony.

Marina fa mety hahazo antsika rehetra ny sasany amin’ireo. Raha maharitra herinandro vitsivitsy anefa izany, dia resaho amin’ny ray aman-dreninao sao ilaina ny manatona dokotera. Amin’izay mantsy fantatra raha aretina ilay izy na tsia.

Aza menatra raha hita fa aretina ilay mahazo anao. Azo tsaboina mantsy ilay izy. Maro ny olona lasa falifaly indray, na dia efa ela be aza no kivy! Na aretina no mahazo anao na tsia, dia hampahery anao ny Salamo 34:18 hoe: “Akaikin’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.”