Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

NISY NAMORONA VE?

Ny Tanan’ny Horita

Ny Tanan’ny Horita

Manamboatra fitaovana ho an’ny dokotera mpandidy ny mpanamboatra robot, mba ho faran’izay kely ny tataka ilaina rehefa mandidy faritra kely amin’ny vatana izy ireo. Nahagaga azy ireo mantsy ny tanan’ny horita, izay mora miforitra, ary iny no nalainy tahaka.

Diniho izao: Manana tanana valo mora aforitra sy mora atsotra ny horita, ary afaka mandray zavatra sy mitazona ary manery mafy, na dia amin’ny toerana tery kely aza. Azony ahodina any amin’izay tiany ny tanany sady azony ahenjana ny tapany sasany amin’ireo tanany ireo.

Hitan’ny mpikaroka hoe tena tsara raha misy robot mpandidy manana tanana malefaka sy mora miforitra hoatr’izany. Ho kely fotsiny, amin’izay, no tatahana amin’ny vatan’ny olona rehefa didiana izy, ary ho tsotra kokoa ny fandidiana hatao amin’ny olona mila fandidiana lehibe.

Jereo fa mora aforitra sy mora atsotra ny tanan’ny horita

Efa nanamboatra robot manana tanana iray hoatr’izany ny mpikaroka, ary efa nampiasain’izy ireo io tanany io mba hanaovana fandidiana tsy tena izy. Mirefy 13,5 santimetatra ilay izy. Afaka manainga sy mitazona taova malemilemy ny ampahany amin’ilay tanana nefa tsy manimba an’ilay taova. Ny ampahany hafa amin’ilay tanana kosa no tena manao an’ilay fandidiana. Hoy ny Pr. Tommaso Ranzani, anisan’ilay ekipa nanamboatra an’ilay fitaovana: “Mino izahay hoe vao fanombohany fotsiny izao, fa mbola hahavita fitaovana vaovao sy tsara kokoa ary mahavita zavatra betsaka kokoa isika any aoriana any.”

Hahavita zavatra be amin’ny fandidiana ny tanana robot malefaka sy mora aforitra

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny tanan’ny horita sa nisy namorona?