Hijery ny anatiny

NISY NAMORONA VE?

Ny Fahaizan’ny Ramanavy Mamantatra Zavatra Amin’ny Alalan’ny Onjam-peo

Ny Fahaizan’ny Ramanavy Mamantatra Zavatra Amin’ny Alalan’ny Onjam-peo

 Marina fa mahita tsara ny mason’ny ramanavy. Rehefa amin’ny alina ao anatin’ny haizina iny anefa, dia mandefa onjam-peo ny ankamaroany, mba hahafantaran’izy ireo hoe inona avy ny zavatra manodidina azy, dia aiza ho aiza no misy azy ireny. Miverina manako any amin’izy ireo ihany ilay feo alefany iny avy eo, dia ny elanelan’ny fotoana iaingan’ilay feo sy ny fotoana iverenan’ilay izy any aminy no ahalalany hoe aiza ho aiza no misy ny zavatra anankiray. Hain’ny ramanavy sasany, ohatra, ny manavaka hoe moka sa voangory ilay bibikely henony, amin’ny alalan’ny hafainganan’ny fikopakopaky ny elatr’ilay bibikely.

 Diniho izao: Mamokatra feo mihovotrovotra ao amin’ny lohatraokany ny ankamaroan’ny ramanavy, dia mamoaka an’ilay izy amin’ny vavany na ny vavorony. Mampiasa an’ilay sofiny ngezabe iny izy avy eo mba hihainoana tsara ny akon’ilay feo rehefa lasa any amin’ny zavatra manodidina azy ilay izy. Iny ako na feo miverina iny no manampy azy haka sary an-tsaina ny zavatra misy eny amin’ny manodidina azy. Hain’ny ramanavy ny mamantatra hoe aiza ho aiza ny toerana misy ny zavatra iray, dia hoatran’ny ahoana ny haavony sy ny halaviran’ilay izy miala avy eo aminy, na dia misy ramanavy hafa mandefa feo koa aza eo akaikiny eo.

 Tena tokony ho marina tsara ny kajikajy ataon’ny ramanavy rehefa mandefa feo sy mihaino ny iverenan’ilay feo any aminy izy. Raha misy diso kely fotsiny mantsy ilay izy, na dia hoe ampaharivona segondra aza, dia mety ho votsotra ny rembiny satria tara be izy vao tonga eny, ary mety hoe vao eny amin’ny 17 santimetatra amin’ilay rembiny izy dia efa lasa ilay remby. Milaza ny mpikaroka sasany fa “hoatran’ny tsy mitombina” izany hoe hahavita hanao kajy marina tsara amina ampaharivona segondra izany. Hita tamin’ny andrana natao anefa fa voakajin’ny ramanavy amin’ny ampahazato tapitrisana segondra ny fotoana iverenan’ilay feo any aminy. Dia izay no manampy azy hahafantatra ny elanelana misy azy sy ny zavatra anankiray, ary tsy diso mihitsy izy na dia iray milimetatra na latsak’izay akory aza.

 Nanamboatra tehina elektronika afaka mandefa feo sy mikajy ny iverenan’ilay feo koa ny mpikaroka, mba hanampiana ny olona jamba haka sary an-tsaina ny zavatra manodidina azy. Manampy ny jamba hiala amin’izay zavatra avoavo mety handona ny lohany koa ilay tehina, anisan’izany ny rantsan-kazo misandrahaka. Hoy i Brian Hoyle sy Dean Waters, anisan’ny nanamboatra an’ilay tehina: “Naka tahaka ny fahaizan’ny ramanavy mamantatra zavatra amin’ny alalan’ny onjam-peo izahay rehefa nanamboatra an’io tehina io.” Tehina ramanavy moa no tena iantsoana an’ilay tehina.

 Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny fahaizan’ny ramanavy mamantatra zavatra amin’ny alalan’ny onjam-peo, sa nisy namorona?