Hijery ny anatiny

NISY NAMORONA VE?

Ny Fahaizan’ny Lolofotsy Manangona Angovo

Ny Fahaizan’ny Lolofotsy Manangona Angovo

 Alohan’ny hanidinany, dia mila maka hafanana avy amin’ny masoandro ny lolo mba hafana ny hozatra manampy azy hanidina. Afaka manidina alohan’ny lolo hafa anefa ny lolofotsy rehefa mandrahona ny andro. Nahoana?

 Diniho izao: Betsaka ny karazana lolo manakombona na mamelatra tanteraka ny elany rehefa mitanina andro, alohan’ny hanidinany. Hita tamin’ny fikarohana anefa hoe ataon’ny lolofotsy misokatra kely ny elany ka lasa manome endrika V. Mahazo hafanana faran’izay betsaka izy amin’izay. Tonga dia mankany amin’ny hozatra ao amin’ny tratrany mantsy ny angovo avy amin’ny masoandro. Afaka manidina izy rehefa mafana ireo hozatra ireo.

 Tian’ny mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Exeter, any Angletera, ho hita hoe hahavita panneaux solaires tsara kokoa ve izy ireo raha maka tahaka ny paozin’ny elatry ny lolofotsy. Nalain’izy ireo tahaka àry ilay izy ka hitan’izy ireo fa lasa mamoaka angovo efa ho 50 isan-jato fanampiny ireo panneaux solaires.

 Hitan’ireo mpikaroka ireo koa hoe mora mamerina taratra ny elatry ny lolofotsy. Nalain’izy ireo tahaka izany, ankoatra an’ilay elatra miendrika V, ka nahavita panneaux solaires maivana kokoa sy mamokatra angovo betsaka kokoa izy ireo. Izany no nahatonga ny Profesora Richard ffrench-Constant, anisan’ireo mpikaroka, hilaza hoe tena za-draharaha amin’ny fanangonana angovo avy amin’ny masoandro io karazana lolo io.

 Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny fahaizan’ny lolofotsy manangona angovo, sa nisy namorona?