Hijery ny anatiny

NISY NAMORONA VE?

Ny Hoditry ny Zanga

Ny Hoditry ny Zanga

Hazandranomasina miaina any amin’ny fanambanin’ny ranomasina sy ny harambaton’akorandriaka ny zanga (concombre de mer). Isan-karazany ny paozin’izy ireo: Ao ny marokoroko, ao ny mibontsimbontsina, ary misy koa ny matsilotsilo. Tena mahavariana hoe ao anatin’ny minitra vitsy na segondra vitsy mihitsy aza, dia afaka miova ho malefaka be hoatran’ny savoka izy na mafy be hoatran’ny hazo. Afaka misisika any amin’ny toerana tery kely àry izy dia avy eo mihamafy be mba tsy ho azon’ny fahavalony sokirina ao. Ny hodiny no ahafahany manao an’izany.

Diniho izao: Afaka miova ho mafy be na malefaka na eo anelanelany ny hoditry ny zanga. Ampifandraisiny na saratsarahiny fotsiny ny fibra ao amin’ny hodiny rehefa te hiova izy. Mampiasa proteinina manamafy na manalefaka izy, arakaraka izay ilainy.

Ny proteinina manamafy no mampifandray ny fibra ao amin’ny hodiny ka lasa mafy be ny hodiny. Ny proteinina manalefaka kosa manasaraka an’ireo fibra, ka lasa malefaka ny hodiny. Azony atao malefaka be mihitsy ny hodiny ka lasa hoatran’ny hoe mitsonika mihitsy.

Miezaka manamboatra fitaovana afaka miovaova hoatran’ny hoditry ny zanga ny manam-pahaizana. Anisan’ny tanjon’izy ireo ny hanamboatra fitaovana elektronika azo atsofoka any anaty atidoha amin’ny alalan’ny fandidiana, ka ho mafy tsara ilay izy rehefa hapetraka eo amin’ny toerana tokony hisy azy, ary halemilemy avy eo. Raha mety hatao hoatr’izany ilay fitaovana elektronika, dia ho azo antoka kokoa hoe hahomby ilay fandidiana.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny hoditry ny zanga, sa nisy namorona?