Hijery ny anatiny

Heather Broccard-Bell/iStock via Getty Images

NISY NAMORONA VE?

Ny Akoran’ilay Bibikely Atao hoe Voangorin’ny Devoly

Ny Akoran’ilay Bibikely Atao hoe Voangorin’ny Devoly

 Any andrefan’i Amerika Avaratra no misy an’ilay bibikely atao hoe voangorin’ny devoly (Phloeodes diabolicus). Araka ny fikarohana, dia mahazaka zavatra avo 39 000 heny eo ho eo noho ny lanjan’ny vatany io voangory io, sady mbola mety ho velona ihany na dia voahitsaky ny aotomobilina aza. Ahoana no ahazakany tsindry mafy be hoatr’izany?

 Misy akorany manarona ny lamosin’ilay voangory, dia misy koa ao ambaniny. Misy zavatra mampifandray an’ireo eo amin’ny sisiny havia sy havanana. Misy karazany ny zavatra mampifandray an’ilay akorany. Miaro ny taovan’ilay voangory ilay karazany voalohany, satria manohitra an’izay zavatra manindry azy ilay izy. Ilay karazany faharoa indray malefaka kokoa, dia mora miforitra. Mahatonga an’ilay akorany ho afaka hihetsiketsika ilay karazany fahatelo. Lasa afaka mitsofotsofoka amin’ny toerana tery kely ilay voangory vokatr’izay, ohatra hoe eny anelanelan’ny hazo na vato.

 Ankoatra izay, dia misy zavatra mifampidipiditra hoatran’ny amin’ny kilalao puzzle eo amin’ny fisasahan’ny lamosin’ilay voangory. Dia rehefa misy zavatra manindry azy, dia tsy ny eo ihany no mizaka an’ilay vesatra fa ny faritra hafa koa. Misy sosona maromaro ao amin’ilay zavatra mifampidipiditra, dia proteinina no mampiraikitra an’ilay izy. Rehefa voatsindry ilay bibikely, dia misy triatra kely vitsivitsy amin’ilay proteinina. Manampy an’ilay zavatra mifampidipiditra tsy ho tapaka anefa izany. Mbola mihasitrana koa ilay zavatra triatra rehefa mandeha ny fotoana.

Zavatra mifampidipiditra hoatran’ny amin’ny kilalao puzzle

Ny filesy mena dia manondro an’ilay zavatra eo amin’ny sisiny havia sy havanana amin’ilay voangory, izay mampifandray ny akorany ambony sy ambany. Ny filesy mivolon-davenona dia manondro an’ilay zavatra mifampidipiditra eo amin’ny fisasahan’ny lamosin’ilay bibikely

 Milaza ny mpikaroka fa azo alaina tahaka ny akoran’io voangory io rehefa manamboatra fiara na tetezana na trano na zavatra hafa mila mahazaka tsindry na dona ry zareo.

 Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny akoran’ny voangorin’ny devoly, sa nisy namorona?