Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Lalàna Efa Taloha Be fa Tatỳ Aoriana vao Hita hoe Tena Ilaina

Lalàna Efa Taloha Be fa Tatỳ Aoriana vao Hita hoe Tena Ilaina

Rehefa ho tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny firenen’Israely, 3 500 taona teo ho eo lasa izay, dia nampanantena azy ireo Andriamanitra hoe hiaro azy tsy ho tratran’ireo “areti-mandoza” hitany tany Ejipta. (Deoteronomia 7:15) Nomeny toromarika mazava tsara momba ny fahadiovana, ohatra, izy ireo. Natorony azy ireo koa hoe ahoana no hisorohana aretina sy hisakanana an’izany mba tsy hiparitaka. Ireto misy ohatra:

  • Namoaka lalàna Andriamanitra hoe tsy maintsy mandro sy manasa ny akanjony ny Israelita.—Levitikosy 15:4-27.

  • Noresahiny koa hoe ahoana no tokony hatao rehefa te hanao maloto. Hoy izy: “Tokony hisy toeram-pivoahana azonao ampiasaina eny ivelan’ny toby, ka any no handehananao. Ary tokony hisy hazo maranitra any aminao, miaraka amin’ny fitaovanao hafa, ka rehefa hipetraka hininginingina eny ivelany ianao dia mihadia lavaka amin’ilay hazo, ary mitodiha ka totofy ny dikinao.”—Deoteronomia 23:12, 13.

  • Natokan-toerana elaela izay olona noeritreretina hoe tratran’ny areti-mifindra. Rehefa sitrana ilay olona, dia tsy maintsy mandro amin’ny rano sy manasa ny akanjony aloha. Aorian’izay izy vao azo lazaina hoe ‘madio’, dia mahazo miverina ao an-tranony.—Levitikosy 14:8, 9.

  • Natokan-toerana izay olona nikasika faty.—Levitikosy 5:2, 3; Nomery 19:16.

Mbola tsy nahay momba ny resaka fahadiovana sy aretina ny mpitsabo, dia efa nanana lalàna momba an’izany ny Israelita. Efa tatỳ aoriana be vao hitan’ny mpitsabo hoe tena ilaina ireny lalàna ireny.

Tsy dia nahalala nadio kosa ny firenena hafa tamin’izany andro izany.

  • Naloto daholo, ohatra, na ny manodidina na ny rano na ny sakafo satria navelan’ny olona teny rehetra teny fotsiny ny fako. Be dia be àry ny olona narary sy ny zazakely maty.

  • Tsy nahafantatra firy na tsy nahalala mihitsy momba ny mikraoba sy ny otrikaretina ny mpitsabo tamin’izany. Ran’androngo, na tain-gisandrano, na fatina totozy, na pipỳ, na mofo efa bobongolo, ohatra, no nataon’ny Ejipsianina fanafody. Tia nampiasa dikin’olombelona na taim-biby koa ny mpitsabo tany Ejipta.

  • Naloto ny Reniranon’i Nil sy ny lakandrano avy ao, ka lasa nidiran’ny katsentsitra isan-karazany ny Ejipsianina. Be dia be ny narary vokatr’izany. Be dia be koa ny zazakely matin’ny aretin-kibo na aretina hafa vokatry ny sakafo maloto.

Ny Israelita kosa tsy mba hoatr’izany. Tsy dia narary izy ireo satria nanaraka ny lalàn’Andriamanitra momba ny fahadiovana sy ny aretina.