Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Ahoana no Nampisy ny Fiainana?

Ahoana no Nampisy ny Fiainana?

Inona no heverinao fa marina?

NY FIAINANA DIA...

  1. NIVOATRA MIANDALANA

  2. NISY NAMORONA

Misy mihevitra fa ny olona nandalina momba ny siansa no hamaly hoe “nivoatra miandalana”, fa ny mpivavaka kosa hamaly hoe “nisy namorona.”

Tsy voatery ho izany anefa.

Olona maro nahita fianarana mantsy no lasa mieritreritra hoe tsy marina ny evolisiona na fiovana miandalana, ary manam-pahaizana momba ny siansa ny maro amin’izy ireny.

Mpampianatra siansa momba ny bibikely, ohatra, i Gerard, nefa tsy nino ny evolisiona. Hoy izy: “Rehefa nanala fanadinana aho tamin’izaho nianatra, dia nosoratako fotsiny izay valiny nandrasan’ny mpampianatra fa izaho tsy nino an’ilay izy.”

Hita àry fa na ny olona nandalina momba ny siansa aza tsy resy lahatra hoe evolisiona no nampisy ny fiainana. Nahoana? Mba hamaliana izany dia andeha isika handinika fanontaniana roa manahiran-tsaina ny mpikaroka: 1) Ahoana no niandohan’ny fiainana? Ary 2) ahoana no nampisy an’ireo zavamananaina be dia be?

Ahoana no Niandohan’ny Fiainana?

NY HEVITRY NY OLONA SASANY: Tsy nisy namorona ny fiainana fa nisy ho azy tamin’izao, ary zavatra tsy mananaina no niandohany.

NAHOANA IZANY NO TSY MAHARESY LAHATRA NY SASANY? Efa be dia be izao ny zavatra fantatry ny mpahay siansa, momba ny firafitry ny molekiola sy ny fiasany ao amin’ny zavamananaina. Mbola tsy hain’izy ireo anefa hoe inona marina no atao hoe aina. Tsy mitovy mihitsy mantsy ny zavatra tsy mananaina sy ny sela tsotra indrindra misy aina.

Tsy tena afaka milaza ny manam-pahaizana hoe hoatran’ny ahoana ny teto an-tany, an’arivony tapitrisa taona tany aloha tany. Tombantombana fotsiny no azon’izy ireo atao. Tsy mitovy hevitra koa izy ireo hoe taiza no niandohan’ny fiainana. Misy, ohatra, milaza hoe tany anaty volkano, na koa hoe tany ambanin’ny ranomasina. Misy aza mihevitra fa zavatra avy tany ambony tsy taka-maso tany no nipitika tetỳ an-tany, ary iny no niandohan’ny zavamananaina. Izany anefa tsy mamaly an’ilay fanontaniana hoe ahoana no nampisy ny fiainana, fa milaza fotsiny hoe tsy avy eto an-tany ilay izy fa avy any an-toeran-kafa.

Milaza ny mpahay siansa fa mety ho nisy karazana molekiola tany aloha tany, izay niova tsikelikely ka lasa ADN. Nivoatra ho azy avy amin’ny zavatra tsy mananaina, hono, ireo molekiola ireo, sady nihabetsaka ho azy teo. Tsy voaporofo akory anefa hoe tena nisy izany molekiola izany, ary tsy vitan’ny mpahay siansa ny namorona an’ilay izy tany amin’ny laboratoara.

Miavaka ny sela ao amin’ny zavamananaina satria afaka mitahiry fanazavana. Mombamomba an’ilay zavamananaina io fanazavana io, ary ao amin’ny fototarazo no misy azy. Hain’ny sela ny mitatitra sy mandika ary manatanteraka ny toromarika ao amin’ireny fanazavana ireny. Oharin’ny mpahay siansa sasany amin’ny ordinatera ny sela, ka ny fototarazo no programa ao anatiny. Raha nisy ho azy teo àry ny sela, dia tsy ho voazava mihitsy hoe avy aiza ny fanazavana voarakitra ao anatin’ny fototarazo.

Zavatra tena ilaina ao anatin’ny sela ny molekiolana proteinina. Asidra amine an-jatony anefa no mitambatambatra ao anatin’ny molekiolana proteinina tsotsotra iray, ary efa misy filaharana tsy maintsy arahin’izy ireo. Tsy maintsy lavalava miolanolana ihany koa ny paozin’ny proteinina, vao afaka manao ny asany izy. Manatsoaka hevitra àry ny mpahay siansa sasany fa na molekiolana proteinina iray aza dia tsy azo inoana mihitsy hoe nisy ho azy teo! “Karazana proteinina an’arivony anefa no ilaina vao afaka miasa ny sela iray. Sarotra be ny hino hoe niforona ho azy izany”, hoy i Paul Davies, mpahay fizika.

NOHO IZANY: Mbola marina foana ny hoe avy amin’ny zavamananaina ihany ny zavamananaina, ary manaporofo an’izany ny fikarohana nataon’ireo mpahay siansa isan-karazany nandritra ny am-polony taona.

Ahoana no Nampisy An’ireo Zavamananaina Be dia Be?

NY HEVITRY NY OLONA SASANY: Nivoatra tsikelikely ilay zavamananaina voalohany, ka nanome an’ireo karazam-biby sy zavamaniry ary ny olona. Sendra niova fotsiny, hono, ny fototarazon’ny zavamananaina ka nanome karazany hafa, ary izay matanjaka ihany no velona.

NAHOANA IZANY NO TSY MAHARESY LAHATRA NY SASANY? Tsy mitovy ny sela fa misy tsotra kokoa ary misy be tsipiriany be. Mbola ankamantatra àry hoe ahoana moa no hiovan’ny sela tsotra ho lasa sela be tsipiriany. Milaza ny boky iray fa “izany no fanontaniana faharoa tsy voavalin’ireo mino ny evolisiona, ankoatra ny hoe ahoana no niandohan’ny fiainana.”

Hitan’ny mpahay siansa fa misy hoatran’ny milina kely be dia be ao anaty sela tsirairay. Fitambarana molekiolana proteinina izy ireny, izay mifanampy mba hamitana asa tena sarotra. Anisan’izany ny mitatitra sakafo, manodina ny sakafo ho angovo, manamboatra an’izay simba ao anaty sela, ary mandefa hafatra amin’ny faritra rehetra ao amin’ilay sela. Izany ve dia hoe avy amin’ny kisendrasendra fotsiny? Sarotra amin’ny olona maro ny mino an’izany.

Samy avy amin’ny atodinaina na ny biby na ny olona. Mitombo tsikelikely ilay atodinaina ka manome sela isan-karazany, izay samy manana ny endriny sy ny asany. Mitambatra avy eo ireo sela mitovy karazana ka manome taova na ampahany amin’ny vatana. Nahoana ny sela tsirairay no tonga dia “mahafantatra” hoe ho selan’inona izy ary aiza ny toerany? Tsy mahavaly an’izany ny evolisiona.

Hitan’ny mpahay siansa izao fa tsy hiova ho karazam-biby hafa ny biby iray, raha tsy ny molekiola ao amin’ny selany mihitsy no miova. Ny niandohan’ny sela heverina fa “tsotra” indrindra aza anefa tsy hain’ny evolisiona ny manazava azy, koa mainka moa fa ny nampisy an’ireo karazam-biby be dia be eto an-tany! Mitombina ve hoe kisendrasendra fotsiny izy ireny? Hoy i Michael Behe, mpampianatra siansa momba ny zavamananaina: ‘Rehefa nandalina momba ny biby ny mpikaroka, dia tsy nampoizin’izy ireo hoe tena sarotra sady be tsipiriany be ny firafitr’izy ireny. Tsy azon’izy ireo mihitsy hoe ahoana no nampisy azy ireny, raha ohatra ka kisendrasendra fotsiny izany.’

Mahatsapa tena sy afaka misaintsaina ny olombelona. Mahalala ny mety sy ny tsy mety koa izy ireo, ary afaka maneho toetra tsara toy ny hoe malala-tanana sy mahafoy tena. Tsy hain’ireo mino ny evolisiona hazavaina hoe nahoana ny sain’ny olombelona no mahavita an’izany raha kisendrasendra no nampisy azy.

NOHO IZANY: Na dia maro aza no mihevitra fa marina ny evolisiona, dia tsy maharesy resy lahatra ny fanazavana omen’izy ireo momba ny niandohan’ny fiainana sy ny nampisy an’ireo zavamananaina be dia be.

Diniho ny Valiny Omen’ny Baiboly

Olona maro no manatsoaka hevitra hoe nisy namorona ny fiainana ary tena manan-tsaina ilay nanao azy, rehefa avy nandinika porofo izy ireo. Iray amin’izany i Antony Flew, mpampianatra filozofia. Tena tsy nino an’Andriamanitra izy taloha, kanefa niova hevitra rehefa nandalina momba ny lalàna fizika eo amin’izao rehetra izao sy ireo zava-mahagaga eto an-tany. Nampiasa fomba fitenin’ny filozofa izy, ka nanoratra hoe: “Tsy maintsy manaiky isika rehefa izay no asehon’ny porofo.” Araka ny hevitry ny Profesora Flew, dia ahariharin’ny porofo hoe misy ny Mpamorona.

Nanatsoaka hevitra hoatr’izany koa i Gerard, ilay voaresaka tany aloha. Manam-pahaizana be izy nefa niteny hoe: “Tsy nahita porofo mihitsy aho hoe nipoitra ho azy avy amin’ny zavatra tsy misy aina ny zavamananaina. Be tsipiriany be ny zavamananaina nefa milamina tsara daholo, ka resy lahatra aho fa tsy maintsy nisy Mpamorona sy Mpandrindra izy ireny.”

Hita amin’ny hoso-doko nataony ny mampiavaka ny mpanakanto iray. Nandinika ny natiora koa i Gerard, dia hitany ny toetra mampiavaka ny Mpamorona. Nanokana fotoana ihany koa izy mba hianarana Baiboly, izay boky avy amin’ny Mpamorona. (2 Timoty 3:16) Nahita fanazavana mandresy lahatra izy tao momba ny tantaran’ny olombelona. Hitany tao koa ny vahaolana ho an’ireo zava-manahirana ny olona ankehitriny. Resy lahatra àry izy fa hendry lavitra noho ny olona ilay nampanoratra ny Baiboly.

Hitan’i Gerard fa tena tokony hodinihina ny valiny omen’ny Baiboly, amin’ireo fanontaniana roa momba ny niandohan’ny fiainana. Mampirisika anao izahay mba handinika an’izany koa.