Hijery ny anatiny

Andinin-teny ho An’ny Andro

Andinin-teny ho An’ny Andro

Misy andinin-teny ho an’ny andro tsirairay miaraka amin’ny fanazavana azy, ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Hanampy anao io bokikely io mba hisaintsaina hevitra mampahery ao amin’ny Baiboly mandritra ny andro.

Mety foana izay hamakiana an’ilay andinin-teny sy fanazavana na amin’ny firy na amin’ny firy. Betsaka anefa no tia mamaky azy amin’ny maraina, amin’izay mba misy hosaintsaininy mandra-paharivan’ny andro. Raha miaraka amin’ny fianakavianao ianao, dia azonareo iarahana midinika ilay izy.

Azonao vakina ao amin’ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah ny andinin-teny ho an’ny andro. Azonao alaina koa ny PDF ho an’ny taona iray manontolo, izay mitovy amin’ilay bokikely vita pirinty.