Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MANONTANY NY TANORA HOE...

Inona no Hataoko mba ho Ampy Torimaso Aho?

Inona no Hataoko mba ho Ampy Torimaso Aho?

Hoy ny Mpitoriteny 4:6: “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.” Tsy ho vitanao tsara izay ataonao, raha tsy ampy torimaso ianao.

  • “Tsy mahavita mifantoka mihitsy aho rehefa tsy ampy torimaso!”—Noro, 19 taona.

  • “Reraka be aho rehefa amin’ny roa iny, dia matory ho azy na dia miresaka amin’olona aza.”—Christine, 19 taona.

Andramo ireto raha tsy ampy torimaso ianao:

Aza matory alina loatra. Hoy i Catherine, 18 taona: “Miezaka tsy hatory tara loatra aho.

Aza be resaka rehefa amin’ny alina. Hoy i Ranto, 21 taona: “Miantso ahy amin’ny alina be ny namako, indraindray, na mandefa hafatra. Nataoko izay tsy hiresahanay ela be tato ho ato, sady tonga dia matory aho.

Aza ovaovana ny ora atoriana. Hoy i Jenny, 20 taona: “Tsy ovaovako ny ora atoriako sy ifohazako tato ho ato.

Ity koa misy hevitra tsara: Miezaha hatory adiny valo, fara fahakeliny.

Zavatra vitsivitsy fotsiny àry no mila ataonao, dia handray soa ianao. Ho salama tsara foana ianao ka hihatsara ny bikanao, ho falifaly sy hazotozoto ianao, ary ho vitanao tsara izay ataonao.

Misy zavatra tsy azonao ovana, fa ny fahasalamanao kosa mbola azonao hatsaraina. Hoy i Faniry, 19 taona: “Tsy ho salama ianao raha tsy ianao mihitsy no miezaka.