Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ahoana no Hatao mba Tsy ho Resin’ny Fakam-panahy?

Ahoana no Hatao mba Tsy ho Resin’ny Fakam-panahy?

Ny azonao atao

Voalohany, fantaro fa tompon’andraikitra amin’izay ataonao ianao, na inona na inona ataon’ny namanao.

Faharoa, fantaro hoe rehefa asaina manao inona ianao no tsy sahy mandà indrindra.

Fahatelo, fantaro hoe isaky ny inona no tena mitranga ilay izy. (Rehefa any am-pianarana? Any am-piasana? Hafa?) Ilainao ny mamantatra an’izany satria mety hanampy anao hanalavitra an’ilay izy.

Izao amin’izay no tokony hataonao: Mieritreritra an’izay azo atao mba tsy hotarihin’ny ankizy haditra, na mba ho mora kokoa ny handa an’ilay izy. (Ohatra: Raha teren’ny ankizy hifoka sigara foana ianao rehefa avy mianatra, dia miovà lalana mba tsy ho hitany.) Raha ny marina dia tsy tena tia anao ny “namana” mitarika anao haditra.

Aza manaiky ho resy, sao ho lasa andevozin’ny fanirianao ianao

Mazava ho azy fa tsy ho afaka hiala foana ianao. Mety ho sendra an’izany ianao, na ho ela na ho haingana, ary mety ho mafy be aminao ilay izy sady mety tsy hampoizinao mihitsy. Inona àry no azonao atao?

Tokony ho vonona ianao!

Diniho izao: Fantatr’i Jesosy ny hevitra ijoroany eo amin’ny resaka fitondran-tena. Tapa-kevitra ny hankatò ny Rainy izy, na inona na inona mitranga. (Jaona 8:28, 29) Fantaro mialoha koa àry ny hevitra ijoroanao.

Fanazaran-tena. Mieritrereta antony roa tokony handavanao tsy hanao ny ditra itarihan’ny ankizy anao matetika. Mieritrereta, avy eo, fomba roa hanoherana an’ilay izy.

Nahoana moa ianao no hanaiky hofehezin’ny hafa? Aoka àry ianao ho matotra ka hanao izay fantatrao fa mety. (Kolosianina 3:5) Mivavaha hatrany mba ho vitanao foana izany.—Matio 6:13.

 

Fanampim-panazavana

TANORA

Manontany ny Tanora, Boky Faha-2

Anisan’ny horesahina ao ny momba ny fianarana, fialam-boly, namana, fifandraisana amin’ny ray aman-dreny, fiovana eo amin’ny vatana, fihetseham-po, ary fitiavana.

MIFOHAZA!

Inona no Atao mba Tsy ho Voatarika Haditra?

Na ny ankizy hendry aza mety ho lasa haditra, rehefa voataonan’ny namany. Ahoana no fomba hialanao amin’izany?

MANONTANY NY TANORA

Ahoana Raha Taomin’ny Ankizy Hanao Firaisana Aho?

Aleo ve manaiky? Mety hanenina ve ianao?