Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ahoana Raha Taomin’ny Ankizy Hanao Firaisana Aho?

Ahoana Raha Taomin’ny Ankizy Hanao Firaisana Aho?

Mety hieritreritra ianao hoe: “Tsy aleo ve manaiky e? Ny olona rehetra aza manao an’izany daholo.”

Mandiniha tsara aloha!

Zava-misy: Tsy ny rehetra no manao an’izany.

Marina fa maro be ny tanora manao firaisana, araka ny hita tamin’ny fanadihadiana. Tanora 2 ao anatin’ny 3 any Etazonia, ohatra, no manao firaisana, nefa mbola mpianatra eny amin’ny lise. Midika koa anefa izany fa tanora 1 ao anatin’ny 3 no mbola virjiny, ary betsaka izany.

Inona no tsapan’ireo efa nanao firaisana? Hitan’ny mpikaroka fa maro no...

Manenina. Ny ankamaroany mihitsy no milaza hoe manenina.

Tsy asianao vidiny ny vatanao raha manao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao. Toy ny sary hoso-doko lafo vidy ilay izy, nefa amafanao tongotra

Mifampiahiahy. Samy mieritreritra izy roa hoe: ‘Sao dia efa nisy olon-kafa koa nanaovany firaisana?’

Diso fanantenana. Maro ny ankizivavy diso fanantenana any anatiny any, satria ilay ankizilahy nantenainy hiaro indray no nanararaotra azy. Matetika koa no tsy tena tian’ny ankizilahy intsony izay ankizivavy nanaiky hanao firaisana taminy.

Fehiny: Tena sarobidy ny vatanao ka aza omemena olona fotsiny. Asehoy fa vitanao ny mankatò ilay didin’Andriamanitra hoe fadio ny fijangajangana. Mbola ho afaka hanao firaisana ihany ianao rehefa manambady. Tsy hanenina na hikorontan-tsaina toa an’ireo nanao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao, fa mba tena hankafy an’ilay izy.—Ohabolana 7:22, 23; 1 Korintianina 7:3.

 

Fanampim-panazavana

Manontany ny Tanora, Boky Faha-2

Anisan’ny horesahina ao ny momba ny fianarana, fialam-boly, namana, fifandraisana amin’ny ray aman-dreny, fiovana eo amin’ny vatana, fihetseham-po, ary fitiavana.