Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MANONTANY NY TANORA HOE...

Ahoana no Hiresahako Amin’i Dada sy Neny Momba ny Fitsipika Apetrany?

Ahoana no Hiresahako Amin’i Dada sy Neny Momba ny Fitsipika Apetrany?

Inona no ilainao? Fahaizana miresaka

Tena ilaina ny mifampiresaka

  • mba hahazoan’ny olona ny hevitrao sy izay manjo anao.

  • mba hahatakaranao ny antony tsy nanekena izay nangatahinao.

Mahaiza àry miresaka toy ny olon-dehibe, raha te hoentina toy ny olon-dehibe ianao. Inona no azonao atao?

Mianara mifehy ny hatezeranao. Mila mahay mifehy tena ianao raha te hahay hiresaka tsara. Hoy ny Baiboly: “Ny fahatezeran’ny tsisy saina dia avoakany daholo, fa mahatsindry fo hatramin’ny farany kosa ny hendry.Ohabolana 29:11.

Aza mimenomenona àry na midongy, na manakaratoka varavarana, na mingodongodona eran’ny trano. Vao mainka izany hahatonga ny ray aman-dreninao ho hentitra kokoa aminao.

Fantaro hoe nahoana ny ray aman-dreninao no manome fitsipika. Aoka hatao hoe misy fety tsy tiany halehanao. Aza mifamaly aminy, fa anontanio izy hoe:

“Ary ahoana raha mitondra namana matotra sy azo atokisana aho?”

Mety mbola tsy hamela anao handeha ihany ry zareo. Raha mazava aminao anefa ny zavatra atahorany, dia mety hahita soso-kevitra hekeny ianao.

Toy ny hoe mandoa trosa any amin’ny banky ianao, raha mankatò ny fitsipika apetraky ny ray aman-dreninao. Hatoky anao kokoa izy raha mankatò azy foana ianao, ka hekeny izay hangatahinao.

Ataovy izay hatokisany anao. Aoka hatao hoe ananan’ny banky vola ianao. Efa nisy fotoana nolazain’ilay banky hoe tsy maintsy hamerenanao an’ilay vola. Raha voaverinao amin’io fotoana io ilay izy, dia hatoky anao ry zareo, ka mety hampindrana anao vola betsaka kokoa amin’ny manaraka.

Toy izany koa ny ao an-trano. Misy fitsipika lazain’ny ray aman-dreninao fa tsy maintsy ankatoavinao. Raha tsy raharahainao mihitsy izany, dia aza gaga raha tsy hatoky anao firy izy na tsy hatoky anao intsony.

Raha mankatò azy ireo kosa ianao, na amin’ny zavatra madinika aza, dia hatoky anao kokoa izy, ka mety hekeny izay hangatahinao.

 

Fanampim-panazavana

Manontany ny Tanora, Boky Voalohany

Anisan’ny resahina ao ny momba ny toaka, ny zava-mahadomelina, ny firaisana, ary ny fanaovana sipa.