Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Inona no Hataoko mba Tsy Hieritreretako Zavatra Vetaveta?

Inona no Hataoko mba Tsy Hieritreretako Zavatra Vetaveta?

Ny azonao atao

Fidio tsara ny namanao. Manao resaka vetaveta ve ny namanao sy ny mpiara-mianatra aminao? Vao mainka ho sarotra aminao ny hifehy ny eritreritrao raha miditra amin’ilay resaka ianao. Matetika ianao no afaka mahita fomba hialana amin’ilay resaka nefa tsy miseho ho masina be ary tsy esoin’ny ankizy.

Avelanao hisy virosy ho tafiditra ve ao amin’ny ordinateranao? Aza avela hisy zavatra vetaveta ho tafiditra koa àry ao an-tsainao

Aza tia fialam-boly vetaveta. Natao hanairana ny filan’ny nofo ny ankamaroan’ny fialam-boly ankehitriny. Izao no torohevitry ny Baiboly: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (2 Korintianina 7:1) Aza tia fialam-boly mety hanaitra ny filan’ny nofo àry.

Tadidio izao: Tsy ratsy ny faniriana hanao firaisana. Efa nataon’Andriamanitra hifankatia ny lehilahy sy vehivavy, ary afaka manao firaisana izy ireo raha mpivady. Raha mahatsapa hoe te hanao firaisana mafy àry ianao, dia aza mieritreritra hoe ratsy saina ianao, na tsy ho afaka ny hadio fitondran-tena mihitsy.

Fehiny: Afaka mifidy izay zavatra tianao hoeritreretina ianao. Afaka ny hadio eritreritra sy hadio fitondran-tena ianao, raha tianao!

 

Fanampim-panazavana

Manontany ny Tanora, Boky Voalohany

Anisan’ny resahina ao ny momba ny toaka, ny zava-mahadomelina, ny firaisana, ary ny fanaovana sipa.