Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MANONTANY NY TANORA HOE...

Ahoana Raha Nandika ny Fitsipik’i Dada sy Neny Aho?

Ahoana Raha Nandika ny Fitsipik’i Dada sy Neny Aho?

Inona no azonao atao mba tsy ho tezitra be aminao ny ray aman-dreninao?

Lazao ny marina. Tsory ny marina, ary lazao amin’ny an-tsipiriany izany. Mety tsy hatoky anao intsony mantsy izy ireo raha mamoron-dainga ianao.Ohabolana 28:13.

  • Aza manamarin-tena na manamaivana ny fahadisoanao.

  • Tadidio foana fa “mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka.Ohabolana 15:1.

Mialà tsiny. Lazao hoe mifona ianao satria nampitebiteby na nandiso fanantenana, na koa nanahirana azy. Mety hihena ny sazinao amin’izay. Tokony ho avy amin’ny fo anefa ny teninao.

Zakao ny vokatry ny nataonao. Ho hita fa matotra ianao, raha manaiky ny vokatry ny nataonao. Ataovy avy eo izay hatokisany anao indray.—Ohabolana 20:11.

Tadidio fa adidin’ny ray aman-dreninao ny mametraka fitsipika araka ny antonony mba harahinao. Izany no antony ahitantsika teny toy ny hoe “didin-drainao” sy “lalàn-dreninao”, ao amin’ny Baiboly.Ohabolana 6:20.

Tsy te ho voafehifehy loatra ve ianao?

  • Miezaha mankatò foana ny ray aman-dreninao.

  • Ataovy fahazaranao ny mankatò, izany hoe efa izay mihitsy no mampiavaka anao sy tianao itondrana ny fiainanao.

 

Fanampim-panazavana

Karazan’olona Manao Ahoana Aho?

Fomba efatra hamantaranao ny tenanao sy ny hevitra ijoroanao.