Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MANONTANY NY TANORA HOE...

Inona no Hanampy Ahy Hanaiky ny Fitsipik’i Dada sy Neny?

Inona no Hanampy Ahy Hanaiky ny Fitsipik’i Dada sy Neny?

Angamba ianao mahalala ankizy mahazo mody amin’izay ora tiany, manao izay akanjo tiany, miaraka foana amin’izay namana tiany, ary mandeha any amin’izay tiany haleha. Sahirana loatra angamba ny ray aman-dreniny, ka tsy mahafantatra izay ataon-janany.

Resahin’ny Baiboly anefa fa tsy hahomby ny fitaizana toy izany. (Ohabolana 29:15) Maro ny olona lasa tia tena, noho izy ireo tsy nisy mpifehy tamin’ny mbola kely. Izany no anisan’ny tena mahatonga ny olona eto amin’ity tontolo ity tsy hanam-pitiavana.2 Timoty 3:1-5.

Aza mitsiriritra an’ireo ankizy avela hanao izay tiany àry. Tadidio kosa fa tia anao ny ray aman-dreninao matoa mifehy anao. Rehefa manome anao fitsipika araka ny antonony izy ireo, dia manahaka an’i Jehovah Andriamanitra. Hoy mantsy izy tamin’ny vahoakany:

“Hataoko izay hahatonga anao ho malina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao. Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.”Salamo 32:8.