Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Iza re no ho Namako E?

Iza re no ho Namako E?

Ny azonao atao

Voalohany, fantaro hoe olona manao ahoana no hitanao hoe sarotra alaina namana.

Taonany:

Sarotra amiko ny mifandray amin’ny . . .

  • mitovy taona amiko

  • zokiko kely

  • olon-dehibe

Fahaizany:

Tsy haiko ny mifandray amin’ny olona . . .

  • tia spaoro

  • manan-talenta

  • kinga saina

Toetrany:

Tsy haiko ny mifandray amin’ny olona . . .

  • matoky tena

  • be mpitia

  • tia mitsitokotoko

Faharoa, jereo hoe manahoana ianao rehefa tafaraka amin’ireo olona nomarihinao teo ambony teo.

  • Miseho ho liana na mahay an’ilay zavatra mahaliana azy ireo koa aho.

  • Tsy raharahaiko izay mahaliana azy fa ny ahy ihany no resahiko.

  • Mangina aho ary mitady hirika hialana.

Fahatelo, manaova zavatra voalohany! Aza manantena hoe ny olona foana no hiezaka hifandray aminao. Mba mila miezaka mifampiresaka amin’izy ireo koa ianao indraindray. (Filipianina 2:4) Ahoana no hanaovana an’izany?

Mitadiava namana tsy mitovy taona aminao. Nahoana tokoa moa ianao no mimenomenona hoe tsy mahita namana, nefa izay mitovy taona aminao ihany no tadiavinao? Toy ny hoe maty noana eo amin’ny nosy iray tsy misy na inona na inona ianao, nefa feno trondro manodidina anao.

Nampirisihan’i Neny hiresaka tamin’ireo zokinjokiny aho. Ho gaga, hono, aho hahita fa betsaka ny zavatra itovizanay. Marina ny azy ary lasa be namana tokoa aho izao!”—Helena, 20 taona.

Mianara miresaka. Ho vitanao izany raha 1) mihaino ianao, 2) mametraka fanontaniana, ary 3) tena liana amin’ilay resaka.—Jakoba 1:19.

Miezaka mihaino aho fa tsy be resaka. Miezaka ny tsy hanaratsiratsy olona aho rehefa miresaka, ary tsy ny momba ahy foana no resahiko.”—Serena, 18 taona.

Rehefa misy olona te hiresaka momba ny zavatra tsy haiko tsara, dia asaiko manazava izy. Lasa miresaka kokoa amiko izy amin’izay.”—Jared, 21 taona.

Saro-kenatra aho ka tsy maintsy miezaka miresaka. Tokony ho sariaka anefa ianao mba hahazoana namana. Nanomboka niresaka àry aho.”—Léa, 16 taona.

 

Fanampim-panazavana

Ratsy ve ny hoe Be Mpitia?

Mitady fomba maro ny tanora mba ho be mpitia. Ratsy foana ve ny hoe te ho tian’ny olona?

Iza no Tena Namako?

Ahoana no hahazoana namana tsara sy hijanonana ho mpinamana foana?