Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MANONTANY NY TANORA HOE...

Inona no Hataoko mba Tsy Hatavy Loatra?

Inona no Hataoko mba Tsy Hatavy Loatra?

Milaza ny Baiboly fa tokony ‘hahay handanjalanja’ isika. (1 Timoty 3:2) Mila manao izany, ohatra, isika rehefa misakafo. Andramo àry izao:

Aza mihinana intsony rehefa voky. Hoy i Julia, 19 taona: ‘Nitandrina be aho taloha mba tsy hatavy, fa izao aho tsy mihinana intsony fotsiny rehefa voky.

Aza mihinana sakafo matavy be na mamy be. Hoy i Kiady, 21 taona: “Tsy nisotro sodà intsony aho, dia iray volana fotsiny dia nihena dimy kilao.

Aza atao intsony izay zavatra mahazatra anao nefa tsy mety. Hoy i Faniry, 19 taona: “Miezaka tsy manampy aho rehefa misakafo.

Ity koa misy hevitra tsara: Miezaha foana hisakafo maraina sy antoandro ary hariva. Raha tsy izany dia ho noana be ianao, ka vao mainka hihinana be.

Tsy tena matavy akory indraindray ny olona miteny hoe: “Mila mampihena tena aho.” Mety tsara ny toe-batany. Ahoana anefa raha tena mila mampihena tena ianao? Diniho izay nataon’ny tovovavy iray atao hoe Catherine.

“Natavy loatra aho. Tsy tiako mihitsy anefa izany. Tsy tiako maizina ny bikako ary tsy azoko ny aiko.

“Niezaka nampihena tena aho ka nitandrina sakafo tsindraindray, nefa niverina tamin’ny habeko ihany aho. Tapa-kevitra àry aho tamin’izaho 15 taona fa hitady fomba mety tsara hampihenana tena, ary zavatra ho vitako mandritra ny androm-piainako no hataoko.

“Nividy boky momba ny sakafo sy ny fanatanjahan-tena aho, ary narahiko izay voalaza tao. Tapa-kevitra aho fa hiezaka foana, na dia mety tsy haharaka sy ho kivy aza, indraindray.

“Nandaitra tokoa ilay izy! Nihena 27 kilao aho, tao anatin’ny herintaona. Tsy niova ny lanjako nandritra ny roa taona. Tsy nampoiziko mihitsy izany!

“Tsy noho izaho nitandrina sakafo fotsiny angamba no nahatonga izany, fa noho izaho nanova ny fomba fiainako.”—Catherine, 18 taona.

 

Fanampim-panazavana

Inona no Tokony Hataon’ny Ankizy Matavy Loatra?

Vitan’ny lehilahy iray tia haninkanina ny nanova ny sakafo fihinany. Jereo ato ny tantarany.