Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MANONTANY NY TANORA HOE...

Inona no Handrisika Ahy Hanao Fanatanjahan-tena?

Inona no Handrisika Ahy Hanao Fanatanjahan-tena?

Hoy ny Baiboly: ‘Mahasoa ny fampiasan-tena.’ (1 Timoty 4:8) Tanora maro no mahatsapa hoe tokony hanao fanatanjahan-tena nefa tsy manao akory.

  • “Be dia be ny mpiara-mianatra tamiko ratsy naoty tamin’ny ‘gym.’ Tsotra kely anefa ilay izy!”—Ranto, 21 taona.

  • “Misy miteny hoe: ‘Inona koa no hihazakazahako eny amin’ny hainandro be eny, sady amin’izay tsy mijanona raha tsy reraka be sady tsemboka? Tsy aleoko manao lalao video? Asaiko mihazakazaka ilay mpilalao ao dia vita!’”—Rova, 22 taona.

Hoatr’izany koa ve ianao? Diniho ireto lafin-javatra telo mahatsara ny fanatanjahan-tena ireto:

1. Tsy ho mora marary ianao. Hoy i Noro, 19 taona: “Miteny foana dadanay hoe: ‘Raha tsisy fotoana hanaovana spaoro ianao, dia harary lava ka tsy hahavita n’inona n’inona.’

2. Hamokatra zavatra mampitony ny atidohanao. Hoy i Emily, 16 taona: “Mihazakazaka aho rehefa feno be ny lohako. Azoazoko erỳ ny aiko sady milamina ny saiko!

3. Ho falifaly kokoa ianao. Hoy ihany i Rova: ‘Mandehandeha aho, na milomano, na mitaingina bisikileta, satria tiako be ny manao zavatra eny ivelany.

Ity koa misy hevitra tsara: Manokàna 20 minitra, fara fahakeliny, mba hanaovana an’izay fanatanjahan-tena tianao. Ataovy intelo isan-kerinandro izany.

Tadidio izao: Marina fa eo ny fototarazo, nefa arakaraka ny fomba fiainanao no hahasalama anao. Anao àry ny safidy na hanao fanatanjahan-tena ianao na tsia, rehefa tsapanao hoe ilainao izany.

 

Fanampim-panazavana

Fomba Hahasalama Kokoa: Mampiasà Vatana

Mila fanatanjahan-tena isika rehetra, na antitra na tanora, ary tsy voatery handoavam-bola izany.