Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MANONTANY NY TANORA

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Fametavetana? Fizarana 1: Inona ny Fitandremana Tokony Hatao?

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Fametavetana? Fizarana 1: Inona ny Fitandremana Tokony Hatao?

 Inona no atao hoe fametavetana?

Samy manana ny famaritany an’io teny io ny lalàna any amin’ny firenena tsirairay. Tafiditra amin’ny hoe fametavetana anefa ny firaisana rehetra atao an-keriny, na atao amin’ny ankizy izany, na tanora, na olom-pady. Mety ho olona tena nitokisana no manao an’ilay izy, anisan’izany ny dokotera, mpampianatra, na mpitondra fivavahana. Rahonana koa ny olona sasany niharan’ny fametavetana na niresahana zavatra vetaveta, amin’izay tsy miteniteny.

Araka ny fanadihadiana, dia efa ho 250 000 isan-taona ny olona voalaza fa misy mametaveta, any Etazonia fotsiny. Efa ho ny antsasak’izy ireo no eo anelanelan’ny 12 sy 18 taona.

 Inona no tokony ho fantatrao?

  • Melohin’ny Baiboly ny fametavetana. Voatantara ao hoe nisy vahoaka adalam-piraisana saika hametaveta lehilahy roa nitsidika ny tanànan’i Sodoma, 4 000 taona lasa teo ho eo izay. Izany no nahatonga an’i Jehovah handrava an’ilay tanàna. (Genesisy 19:4-13) Nandrara ny firaisana amin’olom-pady koa ny Lalàn’i Mosesy, 3 500 taona lasa teo ho eo izay. Tafiditra amin’izany ny fametavetana ny havana akaiky.—Levitikosy 18:6.

  • Olom-pantatra matetika no manao an’ilay izy. Milaza ny boky Talking Sex With Your Kids fa ‘olona roa ao anatin’ny telo no mahafantatra ny olona nametaveta azy. Tsy hoe olon-tsy fantatra niditra an-tsokosoko tao an-trano akory ilay mpametaveta.’

  • Iharan’ny fametavetana daholo na lahy na vavy. Lehilahy ny 10 isan-jaton’ireo nisy nametaveta, any Etazonia. Milaza ny fikambanana iray miady amin’ny fametavetana antsoina hoe RAINN fa ‘mety hatahotra ireo lehilahy nisy nametaveta sao dia efa sarim-bavy izy ireo, na ho lasa lehilahy miray amin’ny lehilahy.’

  • Tsy mahagaga raha be dia be izao ny mpametaveta. Efa nilaza mialoha ny Baiboly fa “tsy ho tia ny mpianakaviny” ny olona maro “amin’ny andro farany”, sady “tsy hahafehy tena” sy “ho masiaka be.” (2 Timoty 3:1-3) Hita be hoe manana an’ireo toetra ireo ny olona mitady hametaveta ny hafa.

  • Tsy ilay olona niharany no diso. Tsy misy olona natao hovetavetaina izany. Ilay mpametaveta irery ihany no tompon’andraikitra amin’ny zavatra nataony. Misy zavatra azonao atao ihany anefa mba tsy hahatonga anao hisy hametaveta.

 Inona no azonao atao?

  • Miomàna. Fantaro mialoha hoe inona no hataonao raha misy olona mitady hanery anao hanao firaisana. Mety ho ny havanao na ny olon-tianao mihitsy aza izy io. Nilaza ny tovovavy iray atao hoe Erin fa raha te ho vonona hiatrika ny karazana fanerena rehetra ianao, dia tokony hanao fanazaran-tena. Ataovy toy ny tena izy mihitsy ilay toe-javatra, ary eritrereto mialoha hoe ahoana no hataonao raha mitranga ilay izy. Hoy izy: “Hoatran’ny hoe mampihomehy aloha izany e! Raha tena mitranga amin’izay anefa ilay izy, dia tsy atahorana loatra ho tratrany ianao.”

    Hoy ny Baiboly: ‘Mitandrema tsara hatrany mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, fa ratsy izao andro izao.’—Efesianina 5:15, 16.

    Eritrereto hoe: ‘Inona no hataoko raha misy olona mikasikasika ahy?’

  • Fantaro mialoha ny fomba hialana. Mampirisika ny fikambanana RAINN fa ‘tokony hifanaraka ianao sy ny fianakavianao, na ianao sy ny namanao, hoe misy teny hampiasainao rehefa mila vonjy ianao. Amin’izay raha vao misy hafahafa, dia ho afaka hiantso azy ireo sy hilaza an’izay manjo anao ianao, nefa tsy ho fantatr’ilay olona miaraka aminao ilay izy. Afaka maka anao na mitady fomba hialanao eo izy ireo avy eo.’ Hisoroka ratram-po ianao, raha manalavitra ny toe-javatra mety hampidi-doza.

    Hoy ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.”—Ohabolana 22:3.

    Eritrereto hoe: ‘Ahoana no fomba hialako raha misy olona mitady hametaveta ahy?’

    Mitadiava foana fomba hialana

  • Fero mialoha ny fihetsika azo atao sy tsy azo atao, ary hajao foana izany. Raha mampiaraka, ohatra, ianao dia tokony hifampiresaka ianareo hoe inona no fihetsika azo atao sy tsy azo atao. Raha tsy tian’ilay olona miaraka aminao izany, dia aleo mitady olon-kafa manaja an’izay fitsipika arahinao.

    Hoy ny Baiboly: ‘Ny fitiavana tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany.’—1 Korintianina 13:4, 5.

    Eritrereto hoe: ‘Inona avy ny fitsipika arahiko? Inona no karazana fihetsika tsy mety?

Fanampim-panazavana

MANONTANY NY TANORA

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Fametavetana? Fizarana 2: Ahoana Raha Efa Niharan’izany Aho?

Vakio ato izay nolazain’ireo efa nisy nametaveta. Nanamelo-tena izy ireo taloha, nefa efa tsy toy izany intsony.

MANONTANY NY TANORA

Inona no Azoko Atao Raha Misy Manadala Ahy?

Fantaro ny dikan’ny hoe fanadalana sy izay tokony hatao rehefa iharan’izany.

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

Ny Hevitry ny Tanora toa Anao Momba ny hoe Manadala

Henoy ny hevitry ny tanora 5 momba ny atao hoe manadala sy izay tokony hatao rehefa iharan’izany.