Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MANONTANY NY TANORA HOE...

Efa Vonona Hanambady ve Aho?

Efa Vonona Hanambady ve Aho?

Fantaro tsara aloha ny tenanao, alohan’ny hamaliana an’izany. Diniho, ohatra, ireto:

Fifandraisana amin’ny olona

Ahoana no ataonao amin’ny ray aman-dreninao sy ny mpiray tam-po aminao? Tsy mahafehy tena ve ianao matetika rehefa milaza ny hevitrao, ka masiaka na manao esoeson-teny? Inona no mety holazain-dry zareo, raha hanontaniana momba izany? Izay fomba itondranao ny fianakavianao ihany mantsy no hitondranao ny vadinao.—Efesianina 4:31.

Toetra

Olona falifaly ve ianao sa mora kivy? Mahay mandefitra ve ianao, sa tsy manaiky mihitsy raha tsy ny sitraponao no atao? Mba tony ihany ve ianao rehefa misy olana? Ary manam-paharetana ve ianao? Miezaha hanana ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra dieny izao. Hanampy anao izany, rehefa manambady ianao.—Galatianina 5:22, 23.

Vola

Mahay mitsitsy vola ve ianao? Sa mitrosa foana? Mateza amin’ny asanao ve ianao? Raha tsia, nahoana? Ilay asa ve no mahatonga izany, sa ilay mpampiasa? Sa kosa misy fanaonao na toetranao mila ovana? Raha mbola tsy hainao ny mitsitsy ny volanao, ahoana moa no hahaizanao izany rehefa manan-tokantrano ianao?—1 Timoty 5:8.

Fivavahana

Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, miezaka mifandray tsara foana amin’Andriamanitra ve ianao? Moa ve ianao mazoto mamaky Baiboly, mitory sy mampianatra, ary mandray anjara amin’ny fivoriana? Tokony ho tena tia an’i Jehovah ianao, mba ho vady tsara.—Mpitoriteny 4:9, 10.

Fantaro tsara àry aloha ny tenanao. Ho mora kokoa aminao ny hifidy olona mety tsara aminao, ka hanampy anao ho tsara toetra kokoa fa tsy hoe vao maika ho ratsy toetra.

 

Fanampim-panazavana

Hanao Ahoana re ny Fiainako Rehefa Manambady Aho E?—Fizarana 1

Inona no tombontsoa ananan’ireo manambady sy ny olana mety hatrehiny?

Hanao Ahoana re ny Fiainako Rehefa Manambady Aho E?—Fizarana 2

Inona no hanampy anao ho vonona hiatrika an’ireo zavatra tsy ampoizina rehefa manambady?