Ahoana no Atao Rehefa Mivavaka? Efa Ampy ve Ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo?
Valiny ara-baiboly
Manoro antsika ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo hoe ahoana no atao rehefa mivavaka ary inona no tokony horesahina. Io vavaka io no namalian’i Jesosy an’ilay fangatahan’ny mpianany hoe: “Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay.” (Lioka 11:1) Tsy hoe ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo, izany hoe ilay Rainay Izay any An-danitra, ihany anefa no vavaka eken’Andriamanitra. a Ohatra iray fotsiny amin’ny vavaka henoin’Andriamanitra io nataon’i Jesosy io.
Ho hitantsika ato ireto:
Inona no resahin’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo?
Ao amin’ny Matio 6:9-13 no misy an’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Tsy mitovy ny teny ampiasaina ao amin’izy io, arakaraka ny dikan-teny. Ireto misy ohatra roa:
Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny Fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra! Omeo anay anio izay sakafo sahaza anay anio, ary mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Ary aza avela ho resin’ny fakam-panahy izahay, fa afaho amin’ilay ratsy.”
Fandikan-teny Katolika: “Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao: etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.” b
Inona no dikan’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo?
Mifanaraka amin’ny zavatra hafa resahin’ny Soratra Masina ny fampianaran’i Jesosy. Afaka manampy antsika hahafantatra ny dikan’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo àry ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly.
“Rainay izay any an-danitra”
Mety tsara Andriamanitra raha antsoina hoe “Rainay”, satria izy no namorona sy nanome aina antsika.—Isaia 64:8.
“Hohamasinina anie ny anaranao”
Tokony homena voninahitra ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, sady tokony hoheverina ho masina. Manamasina ny anaran’Andriamanitra ny olombelona rehefa miresaka amin’ny hafa momba ny toetrany sy ny fikasany.—Salamo 83:18; Isaia 6:3.
“Ho tonga anie ny Fanjakanao”
Fitondram-panjakana any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary i Jesosy no Mpanjaka. Nampianarin’i Jesosy hivavaka isika mba ho tonga io Fanjakana io, ka hanjaka manerana ny tany manontolo.—Daniela 2:44; Apokalypsy 11:15.
“Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra”
Tsy misy faharatsiana na fahafatesana any an-danitra, ka sitrapon’Andriamanitra koa raha miaina mandrakizay eto an-tany sy miadana ny olombelona.—Salamo 37:11, 29.
“Omeo anay anio izay sakafo sahaza anay anio”
Foto-tsakafon’ny olona ny mofo, tamin’ny andron’i Jesosy. Tokony hitadidy isika hoe miankina tanteraka amin’ilay Mpamorona antsika ny fiainantsika, satria izy no manome an’izay zavatra mahavelona antsika.—Asan’ny Apostoly 17:24, 25.
“Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay”
Midika ara-bakiteny hoe “trosa” ilay teny grika nadika hoe “heloka” eto. (Lioka 11:4, fanamarihana ambany pejy) Manota daholo ny olona rehetra, dia mila famelan-keloka. Raha tiantsika hamela ny helotsika anefa Andriamanitra, dia tokony ho vonona hamela ny heloky ny hafa isika.—Matio 6:14, 15.
“Aza avela ho resin’ny fakam-panahy izahay, fa afaho amin’ilay ratsy”
Tsy maka fanahy antsika hanao ratsy mihitsy i Jehovah Andriamanitra. (Jakoba 1:13) “Ilay ratsy”, izany hoe i Satana Devoly, no maka fanahy antsika. (1 Jaona 5:19) Antsoina hoe “ilay Mpaka fanahy” koa izy. (Matio 4:1-4) Miangavy an’i Jehovah isika mba tsy havelany ho resy rehefa alaim-panahy tsy hankatò azy.
Mety ve ny mamerimberina an’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo isaky ny mivavaka?
Vavaka modely ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Tsy hoe mila atao tsianjery akory izy io. Talohan’ny nanaovany an’io vavaka io, dia nampitandrina i Jesosy hoe: “Rehefa mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana.” (Matio 6:7) Rehefa nilaza an’io vavaka modely io indray i Jesosy tatỳ aoriana, dia nampiasa teny hafa.—Lioka 11:2-4.
Ny tsara indrindra dia hoe mamboraka amin’Andriamanitra an’izay ao am-pontsika isika rehefa mivavaka.—Salamo 62:8.
Ahoana no atao rehefa mivavaka?
Modely ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo satria manoro antsika hoe ahoana no hatao raha tiantsika hohenoin’Andriamanitra ny vavaka ataontsika. Jereo fa mifanaraka amin’ny andinin-teny hafa momba ny vavaka ny zavatra voalaza ao.
Mivavaka amin’Andriamanitra irery ihany
Andinin-teny: “Amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana ary ny fisaorana.”—Filipianina 4:6.
Inona no dikan’izany? Andriamanitra no tokony hivavahantsika, fa tsy i Jesosy, na Maria, na ny olo-masina. Vao manomboka ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo, dia misy an’ilay hoe “Rainay.” Midika izany hoe amin’i Jehovah Andriamanitra irery ihany isika no tokony hivavaka.
Mangataka zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra
Andinin-teny: “Na inona na inona angatahintsika aminy ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.”—1 Jaona 5:14.
Inona no dikan’izany? Afaka mivavaka momba an’izay zavatra rehetra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra isika. Tian’i Jesosy hampianarina antsika hoe tena zava-dehibe ny sitrapon’Andriamanitra, ka nampidiriny ao amin’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo ilay hoe “hatao anie ny sitraponao.” Raha mianatra Baiboly isika, dia hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona.
Mivavaka momba an’izay mampiady saina antsika
Andinin-teny: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa hanohana anao izy.”—Salamo 55:22.
Inona no dikan’izany? Te hahafantatra an’izay mampiady saina antsika Andriamanitra. Niresaka momba ny zavatra vitsivitsy ilaintsika i Jesosy tao amin’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Afaka mivavaka isika mba homen’i Jehovah an’izay ilaintsika isan’andro, mba hatorony an’izay tokony hatao rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe, mba hampiany rehefa miatrika olona, ary mba hahazo famelan-keloka. c
a Nanao vavaka hafa, ohatra, i Jesosy sy ny mpianany, ary tsy mitovy amin’ny ao amin’ilay vavaka modely ny teny nampiasain’izy ireo.—Lioka 23:34; Filipianina 1:9.
b Misy an’izao amin’ny faran’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo, ao amin’ny Fandikan-teny Protestanta: “Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena.” Misy Baiboly hafa koa ahitana an’io teny fiderana an’Andriamanitra io. Milaza anefa ilay boky hoe The Jerome Biblical Commentary fa “tsy hita ao amin’ny [Baiboly sora-tanana] azo itokisana indrindra ilay teny fiderana.”
c Mety hieritreritra ny olona sasany mila famelan-keloka avy amin’Andriamanitra hoe tsy mendrika ny hivavaka izy satria mpanota loatra. Milaza amin’izy ireny anefa i Jehovah hoe: “Avia hifandamina isika.” (Isaia 1:18) Tsy holaviny mihitsy izay mangataka famelan-keloka avy amin’ny fo.