Nahoana ny Vavaka no Tokony Hatao Amin’ny Anaran’i Jesosy?

Nahoana ny Vavaka no Tokony Hatao Amin’ny Anaran’i Jesosy?

Valiny ara-baiboly

 Rehefa mivavaka amin’Andriamanitra isika, dia tsy maintsy atao amin’ny anaran’i Jesosy izany. Izany ihany mantsy amin’Andriamanitra no fomba azontsika ifandraisana aminy. I Jesosy aza nilaza hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Hoy koa izy tamin’ireo apostoliny tsy nivadika: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona angatahinareo amin’ny Ray, dia homeny anareo amin’ny anarako izany.”—Jaona 16:23.

Antony hafa

  •   Asehontsika fa manome voninahitra an’i Jesosy sy Jehovah Andriamanitra Rainy isika.—Filipianina 2:9-11.

  •   Ekentsika fa ny sorona nataon’i Jesosy no fomba namonjen’Andriamanitra antsika.—Matio 20:28; Asan’ny Apostoly 4:12.

  •   Ekentsika fa i Jesosy no Mpanelanelana ny olombelona amin’Andriamanitra.—Hebreo 7:25.

  •   Ekentsika fa i Jesosy no Mpisoronabe afaka manampy antsika hahazo sitraka amin’Andriamanitra.—Hebreo 4:14-16.