Hijery ny anatiny

Inona Ilay Vata Misy ny Fifanekena?

Inona Ilay Vata Misy ny Fifanekena?

Valiny ara-baiboly

 Vata masina nasain’Andriamanitra nataon’ny Israelita fahiny ny Vata misy ny fifanekena. Andriamanitra no nanoro ny fomba nanaovana azy io. Napetraka sy narovana tao anatin’izy io ny “Tenin’ny Vavolombelona”, na ireo Didy Folo nosoratana teo amin’ny takela-bato roa.—Eksodosy 25:8-10, 16; 31:18.

  •   Ny nanaovana azy. Nirefy 2,5 hakiho ny lavany, 1,5 hakiho ny sakany, ary 1,5 hakiho ny haavony (111 x 67 x 67 sm). Vita tamin’ny hazo akasia izy io, nopetahana takela-bolamena ny atiny sy ivelany ary nasiana haingony ny sisiny. Volamena ranofotsiny ny sarony, ary nisy kerobima volamena iray teo amin’ny sisiny iray ary hoatran’izay koa teo amin’ny sisiny iray. Nifanatrika ireo kerobima roa. Niondrika nijery ny saron’ilay Vata ny tarehiny, fa ny elany kosa nivelatra niakatra ka nanakona an’ilay sarony. Nisy tahony boribory efatra volamena teo ambony kelin’ny tongotra efatr’ilay Vata. Natsofoka tao amin’ireo tahony ireo ny hazo akasia nopetahana takela-bolamena, dia ireo hazo ireo no nilanjana an’ilay Vata.—Eksodosy 25:10-21; 37:6-9.

  •   Toerana nametrahana azy. Tao amin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tranolay masina ilay Vata no napetraka, tamin’ny voalohany. Azo nafindrafindra io tranolay io, ary natokana ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Niaraka namboarina io tranolay io sy ilay Vata. Notakonana ridao ny Masina Indrindra mba tsy ho hitan’ny mpisorona sy ny olon-kafa. (Eksodosy 40:3, 21) Ny mpisoronabe ihany no afaka niditra tao ka nahita an’ilay Vata indray mandeha isan-taona, isaky ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Levitikosy 16:2; Hebreo 9:7) Nafindra tao amin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tempolin’i Solomona ilay Vata, tatỳ aoriana.—1 Mpanjaka 6:14, 19.

  •   Antony nanaovana azy. Ilay Vata no nitehirizana an’ireo zavatra masina nampahatsiahy ny Israelita an’ilay fifanekena, na fifanarahana, nataon’Andriamanitra tamin’izy ireo teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. Nisy zavatra tsy maintsy nataon’ny mpisoronabe koa teo anoloan’ilay Vata, nandritra ny Andro Fandrakofam-pahotana.—Levitikosy 16:3, 13-17.

  •   Zavatra tao anatiny. Ireo takela-bato nisy ny Didy Folo no napetraka voalohany tao amin’ilay Vata. (Eksodosy 40:20) Napetraka tao koa tatỳ aoriana ny siny volamena iray nisy mana sy ny “tehin’i Arona izay nitsimoka.” (Hebreo 9:4; Eksodosy 16:33, 34; Nomery 17:10) Tsy tao anatin’ilay Vata intsony anefa ireo rehefa nafindra tao amin’ny tempoly ilay izy ka azo antoka fa efa nalana tao.—1 Mpanjaka 8:9.

  •   Fomba nitondrana azy. Tsy maintsy nataon’ny Levita teo an-tsorony ireo hazo akasia filanjana an’ilay Vata, rehefa nitondra an’ilay Vata ry zareo. (Nomery 7:9; 1 Tantara 15:15) Navela teo amin’ilay Vata foana ireo hazo ireo, amin’izay tsy nila nikasika an’ilay Vata mihitsy ny Levita. (Eksodosy 25:12-16) Ilay “ridao fanakonana” nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra no nandrakofana an’ilay Vata rehefa nentina ilay izy.—Nomery 4:5, 6. a

  •   Ny dikany. Rehefa teo ilay Vata, dia nidika izany hoe nanatrika teo Andriamanitra. Nisy rahona, ohatra, teo ambonin’ilay Vata izay tao amin’ny Masina Indrindra, ary nisy rahona koa teo ambonin’ny tobin’ny Israelita. Nidika izany hoe nanatrika teo i Jehovah, sady nitahy azy ireo. (Levitikosy 16:2; Nomery 10:33-36) Milaza koa ny Baiboly hoe ‘nipetraka teo amin’ny kerobima’ i Jehovah, izany hoe teo amin’ireo kerobima roa teo ambonin’ny saron’ilay Vata. (1 Samoela 4:4; Salamo 80:1) ‘Sary mampiseho ny kalesin’i’ Jehovah àry ireo kerobima ireo. (1 Tantara 28:18) Izany no nahatonga an’i Davida Mpanjaka hilaza hoe ‘nipetraka tao Ziona’ i Jehovah, rehefa nafindra tao ilay Vata.—Salamo 9:11.

  •   Anarana niantsoana azy. Ireto avy no iantsoan’ny Baiboly an’ilay vata masina: “Vata misy ny tenin’ny vavolombelona”, “Vata misy ny fifanekena”, “Vata masin’i Jehovah”, ary ‘Vata Masin’ny herin’i Jehovah.’—Nomery 7:89; Josoa 3:6, 13; 2 Tantara 6:41.

     Nantsoina hoe “sarony fampihavanana” na “rakotra fanaovam-panavotana” ny saron’ilay Vata. (1 Tantara 28:11; Fandikan-teny Protestanta) Fa nahoana? Teo amin’io sarony io sy teo anoloan’izy io mantsy ny mpisoronabe no namafy ny ran’ny biby natao sorona, rehefa Andro Fandrakofam-pahotana. Nanao fampihavanana ny mpisoronabe tamin’izay, izany hoe nandrakotra ny fahotan’ny “tenany, sy ny an’ny fokony, ary ny an’ny fiangonan’Israely manontolo.”—Levitikosy 16:14-17.

Mbola misy ve ny Vata misy ny fifanekena amin’izao?

 Tsy misy porofo hoe mbola misy ilay Vata. Resahin’ny Baiboly hoe tsy ilaina intsony ilay Vata satria rehefa nanao sorona ny ainy i Jesosy, dia nosoloana “fifanekena vaovao” ilay fifanekena taloha natao tamin’ny Israely. (Jeremia 31:31-33; Hebreo 8:13; 12:24) Efa nilaza àry ny Baiboly hoe tsy hisy intsony ny Vata misy ny fifanekena, nefa tsy halahelo an’ilay izy ny vahoakan’Andriamanitra.​—Jeremia 3:16.

 Tazana tany an-danitra ilay Vata misy ny fifanekena, tao amin’ny fahitana iray hitan’ny apostoly Jaona, rehefa vita ilay fifanekena vaovao. (Apokalypsy 11:15, 19) Midika izany hoe manatrika any an-danitra Andriamanitra, ary ankasitrahany ilay fifanekena vaovao.

Natao ody fiaro ve ilay Vata?

 Tsia. Tsy azo antoka hoe ho voaro na handresy ny Israelita rehefa nitondra an’ilay Vata misy ny fifanekena. Tao an-tobin’izy ireo, ohatra, ilay Vata, rehefa nanafika ny tanànan’i Ay izy ireo. Resy anefa izy ireo satria nivadika. (Josoa 7:1-6) Resin’ny Filistinina koa izy ireo na dia nentin’izy ireo tany an’ady aza ilay Vata, satria nanao ratsy i Hofinia sy Finehasa mpisorona. (1 Samoela 2:12; 4:1-11) Nalain’ny Filistinina ilay Vata, nefa nandefasan’Andriamanitra loza ry zareo ka voatery naveriny tamin’ny Israelita ilay izy, tamin’ny farany.—1 Samoela 5:11–6:5.

Tantaran’ilay Vata misy ny fifanekena

Taona (T.K.)

Zava-nitranga

1513

Namboarin’i Bezalila sy ireo namany tamin’ny fitaovana nomen’ny Israelita.—Eksodosy 25:1, 2; 37:1.

1512

Notokanan’i Mosesy rehefa notokanana ny tranolay masina sy ny asan’ny mpisorona.—Eksodosy 40:1-3, 9, 20, 21.

1512​—Taorian’ny 1070

Nafindrafindra toerana.—Josoa 18:1; Mpitsara 20:26, 27; 1 Samoela 1:24; 3:3; 6:11-14; 7:1, 2.

Taorian’ny 1070

Nentin’i Davida Mpanjaka nankany Jerosalema.—2 Samoela 6:12.

1026

Nafindra tao amin’ny tempolin’i Solomona tao Jerosalema.—1 Mpanjaka 8:1, 6.

642

Naverin’i Josia Mpanjaka tao amin’ny tempoly.—2 Tantara 35:3. b

Talohan’ny 607

Toa efa nesorina tao amin’ny tempoly. Tsy anisan’ireo fitaovana nentina tany Babylona ilay izy rehefa noravana ny tempoly tamin’ny taona 607 T.K., ary tsy anisan’ireo fitaovana naverina tany Jerosalema koa.—2 Mpanjaka 25:13-17; Ezra 1:7-11.

63

Nilaza i Pompée, jeneraly romanina, fa efa tsy tao amin’ny tempoly ilay Vata, rehefa resiny i Jerosalema ka nojereny ny tao anatin’ny Masina Indrindra. c

a Nahita loza ireo Israelita rehefa tsy nanaraka ny lalàn’Andriamanitra momba ny fomba hitondrana sy handrakofana an’ilay Vata.—1 Samoela 6:19; 2 Samoela 6:2-7.

b Tsy resahin’ny Baiboly hoe oviana, nahoana, ary iza no nanala an’ilay izy tao.

c Jereo ilay boky hoe The Histories, nosoratan’i Tacite, Boky Faha-5, fehintsoratra 9.