Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Raha Mifankatia ny Olon-droa, Afaka Miray Trano ve Izy Ireo na dia Tsy Mpivady Aza?

Raha Mifankatia ny Olon-droa, Afaka Miray Trano ve Izy Ireo na dia Tsy Mpivady Aza?

Valiny ara-baiboly

Milaza ny Baiboly fa “homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga.” (Hebreo 13:4) Avy amin’ilay teny grika hoe pôrneia ilay teny nadika hoe “fijangajangana.” Tafiditra amin’izy io ny fanaovana firaisana alohan’ny fanambadiana. Tsy tian’Andriamanitra àry raha miray trano ny lehilahy sy vehivavy mbola tsy mpivady, na dia mikasa hisoratra aza izy ireo any aoriana any.

Ahoana raha tena mifankatia izy roa? Mbola takin’Andriamanitra ihany ny hoe tokony hivady ara-dalàna izy ireo vao hanao firaisana. Nataon’Andriamanitra ho afaka hitia olona isika. Ny fitiavana koa no toetra tena mampiavaka azy. (1 Jaona 4:8) Misy antony tsara àry matoa izy manizingizina hoe ny mpivady ihany no tokony hanao firaisana.

Fanampim-panazavana

Miantehera Amin’Andriamanitra

Misy fanontaniana tsotra anankiroa ato hanampy anao hanatsara ny fanambadianao.