Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Nahoana ny Soron’i Jesosy no Lazaina fa “Avotra Hisolo ny Maro”?

Nahoana ny Soron’i Jesosy no Lazaina fa “Avotra Hisolo ny Maro”?

Valiny ara-baiboly

Nanome an’i Jesosy ho sorona Andriamanitra mba hanafahana na hanavotana ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana. Avotra na vidim-panavotana no iantsoan’ny Baiboly ny ran’i Jesosy. (Efesianina 1:7; 1 Petera 1:18, 19) Nilaza àry i Jesosy fa tonga mba “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro” izy.—Matio 20:28, Fandikan-teny Protestanta.

Nahoana no nilaina ny “avotra”?

Lavorary na tsy nisy ota i Adama, ilay lehilahy voalohany, tamin’ny vao noforonina. Afaka ny hiaina mandrakizay àry izy. Ninia tsy nankatò an’Andriamanitra anefa izy ka voaheloka ho faty. (Genesisy 3:17-19) Lasa mpanota izy, ary nandova ota koa ny taranany. (Romanina 5:12) Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza fa ‘namidin’i’ Adama ho andevon’ny ota sy ny fahafatesana ny tenany sy ny taranany. (Romanina 7:14) Tsy lavorary daholo ny taranak’i Adama, ka tsy misy afaka ny hahazo indray an’izay nafoiny.—Salamo 49:7, 8.

Nampalahelo an’Andriamanitra àry ny taranak’i Adama. (Jaona 3:16) Manaja ny fitsipiny momba ny rariny foana anefa Andriamanitra, ka tsy afaka ny tsy hiraharaha na hanala tsiny ny fahotan’izy ireo fotsiny. (Salamo 89:14; Romanina 3:23-26) Tiany ny olona ka nanome ny “avotra” izy. Tsy vitan’ny hoe ho voavela heloka izy ireo amin’izay, fa ho foana koa ny fahotany.—Romanina 5:6-8.

Inona no dikan’ny hoe “avotra”?

Ireto zavatra telo ireto no tiana holazaina amin’io teny io ao amin’ny Baiboly:

  1. Vola izy io na zavatra aloa.Nomery 3:46, 47.

  2. Manafaka izy io na manavotra.—Eksodosy 21:30.

  3. Mifandanja amin’ilay zavatra hovidina izy io, na manarona an’ilay izy. *

Ahoana no ampiharana an’ireo famaritana telo ireo amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy?

  1. Zavatra aloa. Milaza ny Baiboly fa “voavidy” ny Kristianina. (1 Korintianina 6:20; 7:23) Ny ran’i Jesosy no ‘nividianany ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra.’—Apokalypsy 5:8, 9.

  2. Manafaka. ‘Manafaka’ ny olona amin’ny ota ny soron’i Jesosy.—1 Korintianina 1:30; Kolosianina 1:14; Hebreo 9:15.

  3. Mifandanja. Aina lavorary no nafoin’i Adama, ary mifandanja tanteraka amin’izany ny soron’i Jesosy. (1 Korintianina 15:21, 22, 45, 46) Hoy ny Romanina 5:19: “Tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy nankatoavan’ny olona iray [Adama], no hahatongavan’ny maro ho marina noho ny nankatoavan’ny olona iray [Jesosy Kristy].” Ahafahana manavotra mpanota maro be àry ny nahafatesan’ny olona iray. Nanolotra ny tenany ho “vidim-panavotana mifandanja” tokoa i Jesosy, “mba hamonjena ny olona rehetra”, dia ireo vonona hanao izay takiny.—1 Timoty 2:5, 6.

^ feh. 11 Midika hoe zava-tsarobidy na vola aloa ny teny tany am-boalohany nadika hoe “avotra” na “vidim-panavotana” ao amin’ny Baiboly. “Manarona”, ohatra, no dikan’ny teny hebreo hoe kafar, ary ampiasaina matetika amin’ny resaka ota izy io. (Salamo 65:3, f.a.p.) Kôfer kosa no ilazana ny vidiny aloa mba hahafahana manarona na manafaka. (Eksodosy 21:30) Ny teny grika hoe lytrôn indray adika matetika hoe “avotra”, nefa azo adika koa izy io hoe “vidim-panavotana.” (Matio 20:28, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao) Mampiasa an’io teny io ny mpanoratra grika hilazana ny vola naloa mba hanafahana babo an’ady na andevo.