Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Loza Voajanahary?

Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Loza Voajanahary?

Valiny ara-baiboly

Tsy milaza ny Baiboly hoe Andriamanitra no mahatonga ny loza voajanahary hitantsika ankehitriny. Tsy mitovy amin’ny loza voajanahary mihitsy ny didim-pitsaran’Andriamanitra tantarain’ny Baiboly.

  1. Tsy ny rehetra no aringan’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.”—1 Samoela 16:7.

  2. Fantatr’i Jehovah ny any am-pon’ny tsirairay ka izay hitany hoe ratsy fanahy ihany no aringany.—Genesisy 18:23-32.

  3. Mandefa fampitandremana aloha Andriamanitra, amin’izay afaka mandositra izay mihaino azy.

Tsy mampilaza mialoha kosa ny loza voajanahary ary tsy mifidy asiana. Manampy trotraka an’izany koa ny ataon’ny olombelona satria manimba ny tontolo iainana izy ireo sady manao trano eny amin’ny toerana misy horohoron-tany na tondra-drano na andro ratsy matetika.

Fanampim-panazavana

Loza Voajanahary—Porofo ve Ireny fa Ratsy Fanahy Andriamanitra?

Nahoana Andriamanitra no mamela ny tsy manan-tsiny ho faty rehefa misy loza voajanahary? Mamaly an’izany ny Baiboly.

Nahoana no Be dia Be ny Loza?

Nilaza i Jesosy fa ho be dia be ny loza. Midika inona ho antsika ny fisian’ireny loza ireny?