Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Nahoana no Maty i Jesosy?

Nahoana no Maty i Jesosy?

Valiny ara-baiboly

Maty i Jesosy mba hahazoan’ny olombelona famelan-keloka sy fiainana mandrakizay. (Romanina 6:23; Efesianina 1:7) Hita tamin’ny nahafatesany koa hoe azon’ny olona atao ny tsy hivadika amin’Andriamanitra, na dia iharan’ny fanenjehana faran’izay mafy aza.—Hebreo 4:15.

Andao hojerentsika hoe inona avy ny soa raisintsika noho ny nahafatesan’i Jesosy.

  1. Hahazoantsika “famelana ny helotsika” ny nahafatesan’i Jesosy.—Kolosianina 1:14.

    Lavorary i Adama, olombelona voalohany, ary tsy nisy ota. Nifidy ny tsy hankatò an’Andriamanitra anefa izy. Nanota àry izy. Nisy vokany tamin’ny taranany rehetra izany. Hoy ny Baiboly: ‘Tonga mpanota ny maro noho ny tsy nankatoavan’ny olona iray.’—Romanina 5:19.

    Lavorary koa i Jesosy, nefa tsy nanota mihitsy. Mety àry raha izy no natao “sorona fampihavanana noho ny fahotantsika.” (1 Jaona 2:2) Lasa nandova ota daholo ny olona rehefa tsy nankatò i Adama. Ny nahafatesan’i Jesosy kosa anefa manala ny fahotan’ny olona rehetra maneho finoana azy.

    Hoatran’ny hoe namidin’i Adama tamin’ny ota ny olombelona rehetra. Nividy azy ireo kosa i Jesosy, rehefa nanaiky ho faty ho azy ireo. ‘Raha misy [àry] sendra manota, dia manana mpanampy any amin’ny Ray isika, dia i Jesosy Kristy, ilay marina.’—1 Jaona 2:1.

  2. Maty i Jesosy “mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.

    Noforonina hiaina mandrakizay i Adama. Voaheloka ho faty anefa izy rehefa nanota. “Tahaka ny nidiran’ny ota” avy tamin’i Adama “ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.”—Romanina 5:12.

    Ny nahafatesan’i Jesosy kosa manala ny fahotana, ka tsy ho voaheloka ho faty intsony izay rehetra maneho finoana azy. Hoy ny Baiboly: “Mba ho tahaka ny nanjakan’ny ota sy ny fahafatesana, no hanjakan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa koa amin’ny alalan’ny fanambarana ho marina, izay hahazoana fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.”—Romanina 5:21.

    Marina fa mbola maty ny olona amin’izao. Mampanantena anefa Andriamanitra fa homeny fiainana mandrakizay ny olona marina, ary hatsangany koa ny maty mba handray soa avy amin’ny nahafatesan’i Jesosy.—Salamo 37:29; 1 Korintianina 15:22.

  3. “Nanjary nankatò [i Jesosy] ary tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany.” Hita amin’izany àry fa azon’ny olona atao ny tsy hivadika amin’Andriamanitra, na dia iharan’ny fanenjehana na fitsapana mafy aza.—Filipianina 2:8.

    Lavorary ny sain’i Adama sy ny vatany, nefa tsy nankatò an’Andriamanitra izy satria naniry mafy hahazo zavatra tsy nananany zo. (Genesisy 2:16, 17; 3:6) Nilaza koa i Satana tatỳ aoriana hoe tsy hisy olona ho tia an’Andriamanitra ka hankatò azy foana, indrindra raha mety hamoy ny ainy izy. (Joba 2:4) Nankatò an’Andriamanitra foana anefa i Jesosy, ary tsy nivadika taminy mihitsy, na dia nalam-baraka sy nampijalijalina aza rehefa novonoina ho faty. (Hebreo 7:26) Voaporofo àry hoe afaka ny tsy hivadika amin’Andriamanitra mihitsy ny olona, na inona na inona fanenjehana sy fitsapana mahazo azy.

Fanontaniana momba ny nahafatesan’i Jesosy

  • Nahoana i Jesosy no tsy maintsy nijaly sy maty, mba hanavotana ny olombelona? Tsy mety angaha raha nofoanan’Andriamanitra fotsiny ny fanamelohana ny olona ho faty?

    Hoy ny lalàn’Andriamanitra: “Fahafatesana no tambin’ny ota.” (Romanina 6:23) Tsy nanafina an’io lalàna io tamin’i Adama Andriamanitra, fa nilaza taminy kosa hoe ho faty izy raha tsy mankatò. (Genesisy 3:3) Tsy maintsy nitana ny teniny àry Andriamanitra rehefa nanota i Adama. “Tsy mahay mandainga” mantsy Andriamanitra. (Titosy 1:2) Lasa nandova ota daholo ny taranak’i Adama, ary lasa maty koa satria fahafatesana no tambin’ny ota.

    Mendrika ny ho faty daholo ny olona mpanota. Anehoan’Andriamanitra “ny harenan’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa” anefa izy ireo. (Efesianina 1:7) Tena manao ny rariny sy faran’izay mamindra fo Andriamanitra, rehefa nanome an’i Jesosy ho sorona lavorary hanavotana ny olombelona.

  • Oviana i Jesosy no maty?

    Maty izy tamin’ny “tamin’ny ora fahasivy.” Raha isaina manomboka amin’ny fiposahan’ny masoandro izany, dia maty izy tamin’ny telo ora tolakandro teo ho eo, tamin’ny andro Paska jiosy. (Marka 15:33-37) Ny zoma 1 Aprily taona 33 izany no nitranga, araka ny kalandrie maoderina.

  • Taiza i Jesosy no maty?

    Teo amin’ilay “toerana atao hoe Ikarandoha, na Golgota amin’ny teny hebreo” i Jesosy no novonoina. (Jaona 19:17, 18) Tany ‘ivelan’ny vavahadin’i’ Jerosalema io toerana io, tamin’ny andron’i Jesosy. (Hebreo 13:12) Mety ho teo amin’ny havoana iray izy io, matoa milaza ny Baiboly fa nisy olona nitazana ny namonoana an’i Jesosy “teny lavidavitra teny.” (Marka 15:40) Tsy tena fantatra anefa hoe taiza marina no nisy an’i Golgota.

  • Ahoana no fomba nahafatesany?

    Be dia be ny olona mino hoe nofantsihana teo amin’ny lakroa i Jesosy. Hoy anefa ny Baiboly: “Izy nitondra ny fahotantsika tamin’​ny tenany teo ambonin’​ny hazo.” (1 Petera 2:24, Fandikan-teny Protestanta) Ny teny grika hoe staorôs sy ksylôn no nampiasain’ireo nanoratra ny Baiboly, rehefa niresaka momba ny zavatra namonoana an’i Jesosy izy ireo. Be dia be ny manam-pahaizana miteny fa ilazana tsato-kazo na hazo iray mahitsy ireo teny grika ireo.

  • Ahoana no tokony hahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy?

    Nanao fankalazana tsotra niaraka tamin’ny mpianany i Jesosy, ny alin’ny Paska jiosy. Nandidy azy ireo izy hoe: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (1 Korintianina 11:24) Novonoina ho faty izy, ora vitsivitsy taorian’izay.

    Noharin’ny mpanoratra Baiboly tamin’ny zanak’ondry natao sorona tamin’ny Paska i Jesosy. (1 Korintianina 5:7) Nankalaza ny Paska ny Israelita, ho fahatsiarovana ny nanafahana azy ireo tsy ho andevo. Mankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy kosa ny Kristianina, ho fahatsiarovana ny fanafahana azy ireo amin’ny ota sy ny fahafatesana. Natao isan-taona ny fankalazana ny Paska, isaky ny 14 Nisana. Nankalaza ny Fahatsiarovana indray mandeha isan-taona koa ny Kristianina voalohany.

    Olona an-tapitrisany àry no mankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, isan-taona, isaky ny mitsingerina ny 14 Nisana.