Hijery ny anatiny

Iza Ilay Mpanankarena sy Lazarosy?

Iza Ilay Mpanankarena sy Lazarosy?

Valiny ara-baiboly

 Mpandray anjara tao amin’ny tantara iray nolazain’i Jesosy ilay mpanankarena sy Lazarosy. (Lioka 16:19-31) Manondro karazan’olona roa izy ireo ao amin’ilay tantara: 1) Ireo mpitondra fivavahana jiosy nanambony tena tamin’ny andron’i Jesosy sy 2) ireo olon-tsotra nanaiky ny hafatra notorin’i Jesosy.

Ho hitantsika ato hoe:

 Inona no nolazain’i Jesosy momba an’ilay mpanankarena sy Lazarosy?

 Miresaka momba ny lehilahy roa i Jesosy ao amin’ny Lioka toko faha-16, ary tantarainy ao hoe niova be ny fiainan’izy ireo.

 Izao ilay tantara raha fintinina: Nanan-karena be ny lehilahy iray, dia tena niadana. Nisy mpangataka iray atao hoe Lazarosy napetraka teo am-bavahadiny. Nanantenana izy hoe mba hihinana an’izay sakafo latsaka avy tamin’ny latabatr’ilay mpanankarena. Maty i Lazarosy tatỳ aoriana, ary nentin’ny anjely ho eo akaikin’i Abrahama. Maty koa ilay mpanankarena ary nalevina. Mbola mahatsiaro saina ry zareo, ao amin’ilay tantara, na dia efa maty aza. Nijalijaly tao anaty afo miredareda ilay mpanankarena, ary nangataka tamin’i Abrahama izy mba haniraka an’i Lazarosy hampangatsiatsiaka ny lelany amin’ny rano kely indray mitete. Tsy nanaiky anefa i Abrahama sady nilaza taminy hoe efa samy niova be izao ny fiainan-dry zareo ary efa nasiana hantsana be tsy azo iampitana manasaraka an-dry zareo.

 Tena nisy ve io tantara io?

 Tsia. Fanoharana nataon’i Jesosy izy io satria nisy lesona tiany hampitaina. Miaiky an’izany koa ny manam-pahaizana. Milaza, ohatra, ny lohatenikely iray ao amin’ny Baibolin’i Luther tamin’ny 1912 hoe fanoharana ilay izy. Ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Baibolin’i Jerosalema koa milaza hoe “fanoharana atao hoatran’ny hoe tantara [ilay izy], ary tsy olona tena nisy no resahina ao.”

 Te hampianatra momba ny fiainana any ankoatra ve i Jesosy? Te hilaza ve izy hoe misy olona mijalijaly any amin’ny afobe rehefa maty, ary lasa any an-danitra i Abrahama sy Lazarosy? Betsaka ny porofo mampiseho hoe tsy mitombina izany.

 Eritrereto, ohatra, izao:

  •   Raha tena tao anaty afo miredareda tokoa ilay mpanankarena, tsy ho lasa etona fotsiny ve ilay rano teo amin’ny rantsantanan’i Lazarosy?

  •   Na dia tsy lasa etona aza ilay izy, rano kely indray mitete ve dia tena ho afaka hanamaivana ny fijaliany tao anaty afo?

  •   Mitombina ve ny hoe tany an-danitra i Abrahama, nefa i Jesosy niteny hoe mbola tsy nisy niakatra tany an-danitra tamin’izay fotoana izay?​—Jaona 3:13.

 Manaporofo ve io tantara io hoe misy ny afobe?

 Tsia. Na dia tsy tena nitranga aza io tantara io, dia misy milaza hoe mampiseho izy io fa mankany an-danitra ny tsara fanahy ary mijalijaly any amin’ny afobe a ny ratsy fanahy.

 Tsy mitombina anefa izany.

 Tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny maty ilay fampianarana hoe misy ny afobe. Tsy mampianatra, ohatra, ny Baiboly hoe lasa sambatra any an-danitra daholo ny tsara fanahy rehefa maty ary ampijalijalina any amin’ny afobe ny ratsy fanahy. Milaza mazava tsara kosa izy io hoe: “Fantatry ny velona hoe ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.”​—Mpitoriteny 9:5.

 Inona no dikan’ilay tantara?

 Asehon’io tantara io hoe misy karazan’olona roa hiova be ny fiainany.

 Ilay mpanankarena dia manondro ny mpitondra fivavahana jiosy “tia vola.” (Lioka 16:14) Nihaino an’i Jesosy izy ireo, nefa tsy nanaiky ny hafatra notoriny. Nanambany ny olon-tsotra koa izy ireo.​—Jaona 7:49.

 I Lazarosy indray manondro ny olon-tsotra nanaiky ny hafatra notorin’i Jesosy, ary nambanin’ny mpitondra fivavahana jiosy.

 Niova be ny fiainan’ireo karazan’olona roa ireo.

  •   Nieritreritra ny mpitondra fivavahana jiosy hoe nankasitrahan’Andriamanitra. Hoatran’ny hoe maty anefa izy ireo satria nolavin’Andriamanitra izy ireo sy ny fanompoany noho izy ireo tsy nanaiky ny hafatra notorin’i Jesosy. Nampijalijaly azy ireo koa ny hafatra notorin’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy.​—Matio 23:29, 30; Asan’ny Apostoly 5:29-33.

  •   Nihatsara kosa ny fiainan’ireo olon-tsotra tsy noraharahian’ny mpitondra fivavahana nandritra ny taona maro. Betsaka no nanaiky ny hafatra notorin’i Jesosy ary nandray soa avy amin’izany. Afaka mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra mandrakizay izao izy ireo.​—Jaona 17:3.

a Mampiasa an’ilay teny hoe “afobe” ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany mba hilazana ny toerana nisy an’ilay mpanankarena rehefa maty izy. Ilay teny grika tany am-boalohany (Haides) nampiasaina tao amin’ny Lioka 16:23 anefa midika fotsiny hoe fasana misy ny maty rehetra.