Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifanaraka Amin’ny Siansa ve ny Baiboly?

Mifanaraka Amin’ny Siansa ve ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

Eny. Tsy boky fianarana siansa ny Baiboly nefa marina ny zavatra lazainy mifandray amin’ny siansa. Mifanohitra tanteraka amin’izay voasoratra ao amin’ny Baiboly anefa ny zavatra ninoan’ny olona tamin’ny fotoana nanoratana azy io. Diniho ireto ohatra vitsivitsy ireto:

  • Noforonina izao rehetra izao. (Genesisy 1:1) Milaza anefa ny angano maro fahiny fa tsy noforonina izao rehetra izao, fa avy tamin-javatra nikorontana, dia avy eo nalamina. Nino, ohatra, ny mponina tao Babylona fahiny hoe avy any amin’ny ranomasimbe roa ny andriamanitra niteraka an’izao rehetra izao. Milaza ny angano hafa fa avy amin’ny atody goavana iray izao rehetra izao.

  • Lalàn’ny natiora milamina tsara no mifehy an’izao rehetra izao, isan’andro, fa tsy hoe ny fihetseham-pon’ireo andriamanitra taitaitra. (Joba 38:33; Jeremia 33:25) Asehon’ny angano malaza maro eran-tany hoe tsy afa-manoatra ny olombelona rehefa manao zavatra tsy ampoizina ireo andriamanitra. Tsy misy indrafo mihitsy, hono, izy ireo indraindray.

  • Mihantona eo amin’ny tsy misy ny tany. (Joba 26:7) Olona maro taloha no nino hoe fisaka boribory ny tany, ary eo ambonin’ny olona goavam-be na biby toy ny ombidia na sokatra.

  • Lasa etona ny rano avy amin’ny ranomasimbe sy loharano hafa, ary avy eo lasa orana na lanezy na havandra rehefa milatsaka amin’ny tany ka mameno ny renirano sy loharano. (Joba 36:27, 28; Mpitoriteny 1:7; Isaia 55:10; Amosa 9:6) Nihevitra ny Grika fahiny fa avy amin’ny ranomasimbe any ambanin’ny tany ny renirano. Mbola nino an’izany ny olona na dia tamin’ny taonjato faha-18 aza.

  • Misondrotra sy mietry ny tendrombohitra, ary tany ambany ranomasina, taloha, ny tendrombohitra hitantsika ankehitriny. (Salamo 104:6, 8) Milaza kosa ny angano maro fa ny andriamanitra no namorona ny endriky ny tendrombohitra hitantsika.

  • Mitandro fahasalamana ny fahadiovana. Tafiditra tao amin’ny Lalàna nomena ny firenen’Israely ny hoe tokony hisasa izy ireo rehefa avy nikasika faty, tokony hatoka-monina ireo manana areti-mifindra, ary tokony hototofana ny diky. (Levitikosy 11:28; 13:1-5; Deoteronomia 23:13) Tamin’ny fotoana nanomezana an’ireo didy ireo anefa, dia nampiasa fangaron-javatra nisy dikin’olombelona ny Ejipsianina rehefa nitsabo olona naratra.

Misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny siansa ve ao amin’ny Baiboly?

Tsia no valiny, rehefa dinihina izay voalazan’ny Baiboly. Ireto misy hevi-diso ananan’ny olona maro ka mahatonga azy hilaza fa tsy mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly:

Hevi-diso: Milaza ny Baiboly fa noforonina tao anatin’ny enina andro misy 24 ora izao rehetra izao.

Zava-misy: Tsy faritan’ny Baiboly hoe oviana Andriamanitra no namorona an’izao rehetra izao. (Genesisy 1:1) Fe-potoana tsy voafaritra koa ireo andro famoronana tantarain’ny Genesisy toko voalohany. Ny fotoana rehetra namoronana ny tany sy ny lanitra aza nantsoina koa hoe “andro.”—Genesisy 2:4.

Hevi-diso: Milaza ny Baiboly fa ny zavamaniry no noforonina talohan’ny masoandro, izay tokony hanome hazavana iveloman’ny zavamaniry.—Genesisy 1:11, 16.

Zava-misy: Asehon’ny Baiboly fa noforonina talohan’ny zavamaniry ny masoandro, satria anisan’ny kintana eny amin’ny “lanitra.” (Genesisy 1:1) Mbola nanjavozavo ny hazavan’ny masoandro tonga tetỳ an-tany, tamin’ilay “andro” voalohany, izany hoe tamin’ilay fe-potoana voalohany tamin’ny famoronana. Nihanisokatra tsikelikely ny habakabaka avy eo. Efa ampy tsara ny hazavana tonga tetỳ an-tany, tamin’ny “andro” fahatelo, ka nahavita niasa tsara hamelomana ny zavamaniry. (Genesisy 1:3-5, 12, 13) Taorian’izany vao tena hita miavaka tsara avy tetỳ an-tany ny masoandro.—Genesisy 1:16.

Hevi-diso: Milaza ny Baiboly fa mihodina manodidina ny tany ny masoandro.

Zava-misy: Hoy ny Mpitoriteny 1:5: “Miposaka ny masoandro, ary milentika, sady maika erỳ ho any amin’ny fonenany, ka avy any indray no iposahany.” Milazalaza ny fihetsiky ny masoandro jerena avy etỳ an-tany fotsiny anefa io. Mbola fitenin’ny olona hatramin’izao ny hoe “masoandro miposaka” sy hoe “masoandro mody” na dia fantany aza fa ny tany no mihodina manodidina ny masoandro.

Hevi-diso: Milaza ny Baiboly fa fisaka ny tany.

Zava-misy: Mampiasa ny teny hoe “faran’ny tany” ny Baiboly mba hilazana toerana lavitra be eto an-tany. (Lioka 11:31) Tsy midika anefa izany hoe fisaka ny tany na hoe misy farany. Toy izany koa ilay hoe “vazan-tany efatra.” Tsy midika izy io hoe misy zorony efatra ny tany. Maneran-tany fotsiny no tiany holazaina.—Isaia 11:12; Lioka 13:29.

Hevi-diso: Milaza ny Baiboly fa intelon’ny savaivony no refin’ny faribolana iray. Savaivo ampitomboina 3,1416 (pi na π) anefa no izy.

Zava-misy: Omen’ny 1 Mpanjaka 7:23 sy 2 Tantara 4:2 ny refin’ilay “fitoeran-drano lehibe”, ary lazainy ao hoe 10 hakiho ny savaivony. Lazainy koa hoe “tady telopolo hakiho vao nahodidina azy.” Mety ho noboriborina fotsiny ireo refy ireo. Mety ho ny ivelany indrindra amin’ilay fitoeran-drano koa anefa no norefesina mba hahazoana an’ilay savaivony, fa avy tao anatiny kosa no nandrefesana an’ilay faribolana.

Fanampim-panazavana

FANONTANIANA FAMETRAKY NY OLONA

Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny Fampianarana Sasany Momba ny Famoronana?

Fantatrao ve hoe mifanohitra amin’ny Baiboly ny fampianarana sasany momba ny famoronana?

Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly

Nahoana ny Baiboly no afaka manampy anao hiatrika olana? Nahoana no azonao itokisana ny faminaniana ao?