Hijery ny anatiny

Mankany An-danitra ve ny Biby?

Mankany An-danitra ve ny Biby?

Valiny ara-baiboly

 Milaza ny Baiboly fa olombelona vitsivitsy ihany no mankany an-danitra, fa tsy ny zavamananaina rehetra eto an-tany. (Apokalypsy 14:1, 3) Ho lasa mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Jesosy izy ireo any. (Lioka 22:28-30; Apokalypsy 5:9, 10) Ny ambiny kosa raha maty, dia eto an-tany no hatsangana ary hiaina mandrakizay eto. Efa paradisa ny tany amin’izany.—Salamo 37:11, 29.

 Tsy miteny mihitsy ny Baiboly hoe ho any an-danitra ny biby ataon’ny olona namana, ohatra hoe ny alika. Nahoana? Satria tsy mahafeno fepetra ho any ny biby. Tsy maintsy ho efa nianatra momba an’Andriamanitra izay ‘voantso ho any an-danitra’, ary mila mino sy mankatò azy. (Hebreo 3:1; Matio 19:17; Jaona 3:16; 17:3) Ny olombelona irery koa no afaka manantena hiaina mandrakizay, satria efa izany mihitsy no namoronana azy.—Genesisy 2:16, 17; 3:22, 23.

 Tsy maintsy hoe maty aloha ny zavamananaina etỳ an-tany, dia hatsangana amin’ny maty, izay vao afaka mankany an-danitra. (1 Korintianina 15:42) Maromaro ny fitsanganana amin’ny maty tantarain’ny Baiboly. (1 Mpanjaka 17:17-24; 2 Mpanjaka 4:32-37; 13:20, 21; Lioka 7:11-15; 8:41, 42, 49-56; Jaona 11:38-44; Asan’ny Apostoly 9:36-42; 20:7-12) Olombelona daholo anefa no natsangana fa tsy nisy hoe biby, na iray aza.

 Mankaiza ny biby rehefa maty?

 Milaza ny Baiboly hoe samy “zavamananaina” ny olombelona sy ny biby. Midika izany hoe mitovy ny ain’ny olombelona sy ny ain’ny biby, amin’Andriamanitra. Samy noforoniny “avy tamin’ny vovoky ny tany” ny biby sy ny olombelona, ary samy nomeny “fofonaina.”—Genesisy 1:24; 2:7; Nomery 31:28.

 Milaza koa ny Baiboly hoe mety maty ny biby sy ny olombelona. (Eksodosy 19:13) Samy miverina ho vovoka izy ireo rehefa maty, izany hoe tsy misy intsony.—Mpitoriteny 3:19, 20. a

 Manota ve ny biby?

 Tsia. Ny atao hoe manota, dia mandika ny lalàn’Andriamanitra momba ny atao hoe tsara sy ratsy. Mety hoe an’eritreritra izany, na any am-po, na tena atao mihitsy. Tsy maintsy hoe zavamananaina mahay manapa-kevitra àry no manota na tsia. Tsy mahay manao an’izany anefa ny biby. (2 Petera 2:12) Mandeha ho azy fotsiny eny ny fiainany fa tsy manan-tsafidy izy, dia maty izy rehefa tapitra ny androm-piainany na dia tsy manota aza.

 Mety ve ny mampijaly biby?

 Tsia. Avelan’Andriamanitra hanjaka amin’ny biby ny olombelona, nefa tsy manan-jo hampijaly azy ireny. (Genesisy 1:28; Salamo 8:6-8) Sarobidy amin’Andriamanitra ny biby tsirairay, na dia ny vorona kely aza. (Jona 4:11; Matio 10:29) Tsy avelany mampijaly biby àry ny mpanompony fa asainy mikarakara tsara azy ireny.—Eksodosy 23:12; Deoteronomia 25:4; Ohabolana 12:10.

a Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 6 ao amin’ny boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?