Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Nahoana i Jesosy no Atao hoe Zanak’Andriamanitra?

Nahoana i Jesosy no Atao hoe Zanak’Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

Tsy hoe tena nanambady sy niteraka akory Andriamanitra. Izy anefa no Mpamorona ny zavamananaina rehetra. (Apokalypsy 4:11) Izany no antony iantsoana an’i Adama, ilay olombelona voalohany noforonin’Andriamanitra, hoe “zanak’Andriamanitra.” (Lioka 3:38) Milaza koa ny Baiboly fa noforonin’Andriamanitra i Jesosy. Antsoina hoe “Zanak’Andriamanitra” koa àry izy.—Jaona 1:49.

I Jesosy no noforonin’Andriamanitra talohan’i Adama. Hoy ny apostoly Paoly momba an’i Jesosy: “Izy no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso, ary izy koa no lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” (Kolosianina 1:15) Efa nisy i Jesosy, ela be talohan’ny nahaterahany tao amin’ny tranom-biby tao Betlehema. Ny Baiboly aza milaza fa “efa hatramin’ny taloha ela be no niandohany, eny, efa hatramin’ny andro fahiny.” (Mika 5:2) Lahimatoan’Andriamanitra àry i Jesosy ka efa nisy tany an-danitra, talohan’ny nahaterahany ho olombelona teto an-tany. I Jesosy mihitsy no niteny hoe: ‘Nidina avy any an-danitra aho.’—Jaona 6:38; 8:23.

Fanampim-panazavana

Avy Aiza i Jesosy?

Fantaro hoe taiza i Jesosy no teraka, taiza izy no lehibe, ary avy aiza no tena fiaviany.

Nahoana Andriamanitra no Naniraka An’i Jesosy Tetỳ An-tany?

Nahoana i Jesosy no nanketỳ an-tany ary inona no soa azontsika amin’izany hatramin’izao?