Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Jesosy ve no Anaran’Andriamanitra?

Jesosy ve no Anaran’Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

Nilaza i Jesosy hoe “Zanak’Andriamanitra” izy. (Jaona 10:36; 11:4) Tsy nilaza mihitsy izy hoe izy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.

Nivavaka tamin’Andriamanitra koa i Jesosy. (Matio 26:39) Hoy izy rehefa nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!”—Matio 6:9.

Nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra izy rehefa nanonona andinin-teny iray avy ao amin’ny Soratra Masina ka niteny hoe: “Mihainoa, ry Israely ô: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.”—Marka 12:29; Deoteronomia 6:4.

 

Fanampim-panazavana

Manana Anarana ve Andriamanitra?

Antsoina hoe Mahery Indrindra, Mpamorona, ary Tompo Andriamanitra. Hita im-7 000 eo ho eo ao amin’ny Baiboly anefa ny tena anarany.

Andriamanitra ve i Jesosy?

Maro no mino fa “fampianarana fototra ao amin’ny fivavahana kristianina” ny Andriamanitra telo izay iray. Inona no lazain’ny Baiboly?