Hijery ny anatiny

Iza moa i Jaona Mpanao Batisa?

Iza moa i Jaona Mpanao Batisa?

Valiny ara-baiboly

 Mpaminanin’Andriamanitra i Jaona Mpanao Batisa. (Lioka 1:76) Teraka taloha kelin’ny nahaterahan’i Jesosy izy, ary nirahin’Andriamanitra hanomana ny lalan’ny Mesia, na Kristy. Ahoana no nanaovan’i Jaona an’izany? Nitory ny hafatr’Andriamanitra tamin’ny Jiosy izy mba hanampiana azy ireo hiverina amin’Andriamanitra.​—Marka 1:1-4; Lioka 1:13, 16, 17.

 Ny hafatra notorin’i Jaona no nanampy ny olona hahafantatra hoe i Jesosy avy any Nazareta ilay Mesia nampanantenaina. (Matio 11:10) Nampirisika an’ireo nihaino azy mba hibebaka tamin’ny fahotany sy hatao batisa i Jaona. (Lioka 3:3-6) Be dia be ny olona nataon’i Jaona batisa, dia izay no niantsoana azy hoe Jaona Mpanao Batisa. Ny batisan’i Jesosy no batisa niavaka indrindra nataon’i Jaona. a​—Marka 1:9.

Ho hitantsika ato hoe:

 Inona no nampiavaka an’i Jaona Mpanao Batisa?

 Efa voalaza mialoha ny asa hataony: Rehefa nitory i Jaona dia tanteraka taminy ilay faminaniana momba ny irak’i Jehovah. (Malakia 3:1; Matio 3:1-3) Noporofoiny hoe izy ilay “hanomana vahoaka ho an’i Jehovah”, izany hoe hanampy ny Jiosy ho vonona hanaiky ny hafatra hotorin’i Jesosy Kristy, ilay solontenan’i Jehovah Andriamanitra.​—Lioka 1:17.

 Ny zava-bitany: Nilaza i Jesosy fa “mbola tsy nisy lehibe noho i Jaona Mpanao Batisa. Mbola lehibe noho izy anefa izay kely indrindra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra.” (Matio 11:11) Tsy hoe mpaminany fotsiny i Jaona, fa izy koa ilay ‘iraka’ efa voalaza mialoha. Tsy nisy mpanompon’i Jehovah niaina talohany àry azo lazaina hoe lehibe noho izy. Hita tamin’ny tenin’i Jesosy koa anefa hoe tsy ho anisan’ny mpitondra ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra i Jaona. b Efa maty mantsy io mpaminany tsy nivadika io vao nanokatra ny lalana mankany an-danitra i Kristy. (Hebreo 10:19, 20) Ho anisan’ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany anefa i Jaona, sady ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa.​—Salamo 37:29; Lioka 23:43.

 Iza no ray aman-drenin’i Jaona Mpanao Batisa?

 I Zakaria sy Elizabeta no anaran’ny ray aman-drenin’i Jaona. Mpisorona jiosy i Zakaria. Fahagagana ny nahaterahan’i Jaona satria momba ny reniny, izany hoe tsy afaka nanan-janaka. “Samy efa antitra” koa izy sy Zakaria vadiny.​—Lioka 1:5-7, 13.

 Iza no tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’i Jaona Mpanao Batisa?

 I Heroda Antipasy Mpanjaka no naniraka olona hanapaka ny lohan’i Jaona, araka ny fangatahan’i Herodiasy vadiny. Halan’i Herodiasy mantsy i Jaona satria niteny tamin’i Heroda, izay niseho ho Jiosy, hoe tsy mety ny nanambadiany an’i Herodiasy raha ny lalàna jiosy no jerena.​—Matio 14:1-12; Marka 6:16-19.

 Nifaninana tamin’i Jesosy ve i Jaona Mpanao Batisa?

 Tsy milaza an’izany mihitsy ny Baiboly. (Jaona 3:25-30) Raha ny marina aza dia niaiky i Jaona hoe ny hanomana ny lalan’ny Mesia no andraikiny fa tsy ny hifaninana aminy. Hoy i Jaona: “Mba hampisehoana azy amin’ny Israely no antony anaovako batisa amin’ny rano.” Mbola niteny koa izy hoe: “Izy no Zanak’Andriamanitra.” (Jaona 1:26-34) Tena faly àry i Jaona rehefa naheno hoe nandeha tsara ny fanompoan’i Jesosy.

a “Tsy nanota” i Jesosy. (1 Petera 2:21, 22) Tsy noho izy hoe nila nibebaka àry no nahatonga azy hatao batisa, fa mba hampisehoany hoe vonona hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy. Anisan’izany ny nanomezany ny ainy ho antsika.​—Hebreo 10:7-10.

b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza no Mankany An-danitra?