Hijery ny anatiny

Mitombina ve ny Fitantaran’ny Olona Noheverina ho Maty Nefa Velona?

Mitombina ve ny Fitantaran’ny Olona Noheverina ho Maty Nefa Velona?

Valiny ara-baiboly

 Maro amin’ny olona teo ambavahoanan’ny fahafatesana no nilaza fa nisaraka tamin’ny vatany izy, na nahita hazavana manjelanjelatra na toerana tsara tarehy. Milaza ny boky Recollections of Death fa ‘mihevitra ny olona sasany nanao toy izany hoe nahazo tombontsoa hahita mialoha ny any ankoatra izy.’ Tsy miresaka fitantaran’olona noheverina ho maty nefa velona indray ny Baiboly. Asehon’ny fahamarinana raketiny anefa fa tsy mitombina ny hoe nahita mialoha ny fiainana aorian’ny fahafatesana ireny olona ireny.

Tsy mahatsiaro tena ny maty.

Milaza ny Baiboly fa “tsy mahalala na inona na inona” ny maty. (Mpitoriteny 9:5) Tsy hoe lasa any amin’ny tontolo hafa ny olona rehefa maty, fa tsy misy intsony fotsiny. Tsy miorina amin’ny Baiboly ilay fampianarana hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona. (Salamo 146:4) Na inona na inona zavatra tsaroan’ny olona iray noheverina ho maty nefa velona indray, dia tsy ho fiainana tany an-danitra izany, na tany amin’ny afobe, na tany ankoatra.

Inona no nolazain’i Lazarosy momba ny fiainana any ankoatra?

Tena maty i Lazarosy, ilay tantaraina ao amin’ny Baiboly. Maty efatra andro izy ary natsangan’i Jesosy avy eo. (Jaona 11:38-44) Tsy ho ratsy fanahy be ve i Jesosy raha hoe efa tany ankoatra i Lazarosy no naveriny hiaina teto an-tany indray? Tsy resahin’ny Baiboly mihitsy anefa hoe nitantara ny fiainana tany ankoatra i Lazarosy. Tsy maintsy ho nitantara an’izany izy raha tany tokoa. Tsy mahagaga raha nilaza i Jesosy hoe toy ny torimaso ny fahafatesan’i Lazarosy. Midika izany fa tsy nahalala na inona na inona izy rehefa maty.—Jaona 11:11-14.