Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Miresaka Momba ny Fanalana Zaza ve ny Baiboly?

Miresaka Momba ny Fanalana Zaza ve ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

Masina ny aina amin’Andriamanitra, ka na ny tsaika aza dia efa olona aminy. Nahazo herin’ny fanahy masina i Davida Mpanjaka ka nanoratra toy izao, momba an’Andriamanitra: “Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho.” (Salamo 139:16) Nilaza Andriamanitra fa hatao ampamoaka izay mandratra zaza mbola any am-bohoka. Aminy àry dia mamono olona izay manala zaza.—Eksodosy 20:13; 21:22, 23.

Ahoana anefa raha saro-piterahana ilay reny ka tsy maintsy misafidy izy mivady hoe ny ain’ilay zaza sa ny ain’ilay reny no hafoy? Izy mivady ihany amin’izay no tsy maintsy manapa-kevitra hoe ny ain’iza no havotana.