FANAZAVANA ANDININ-TENY
Romanina 5:8: “Fony Mbola Mpanota Isika, dia Maty Hamonjy Antsika Kristy”
“Nasehon’Andriamanitra anefa hoe tiany isika, satria tamin’isika mbola mpanota, dia maty ho antsika i Kristy.”—Romanina 5:8, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
“Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.”—Romanina 5:8, Fandikan-teny Protestanta.
Inona no tian’ny Romanina 5:8 holazaina?
Nasehon’i Jehovah a Andriamanitra hoe tena be fitiavana izy satria navelany ho faty ho antsika olombelona ilay Zanany, izany hoe i Jesosy Kristy. (Jaona 3:16) Mpanota ny olombelona, dia mora mieritreritra sy manao zavatra mifanohitra amin’ny fitsipik’Andriamanitra. (Kolosianina 1:21, 22) Nataon’Andriamanitra anefa izay hahatonga antsika hihavana aminy indray “tamin’ny nahafatesan’ny Zanany.” (Romanina 5:10) Inona no vokatr’izany? Lasa afaka mifandray tsara amin’Andriamanitra isika dieny izao, ary manantena ny hiaina mandrakizay amin’ny hoavy.—Romanina 5:11; 1 Jaona 4:9, 10.
Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Romanina 5:8?
Nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ireo Kristianina nipetraka tany Roma ireo teny ireo. Nohazavainy ao amin’ny toko faha-5 ao amin’ilay taratasiny ho an’ny Romanina hoe fa maninona ny Kristianina no afaka mifaly sy matoky hoe ho tanteraka ny zavatra antenainy. (Romanina 5:1, 2) “Tsy mba mandiso fanantenana” io fanantenana io, satria noho Andriamanitra tia antsika no nanomezany antsika azy io, ary efa nasehony izany fitiavana izany tamin’izy nanome an’i Jesosy ho faty ho antsika. (Romanina 5:5, 6) Nankatò an’Andriamanitra foana i Jesosy, fa tsy nanao hoatran’ilay lehilahy voalohany, izany hoe i Adama. (Romanina 5:19) Noho i Adama tsy nankatò, dia lasa mpanota sy mety maty daholo ny taranany. (Romanina 5:12) Afaka manantena ny hiaina mandrakizay indray anefa ny olombelona mankatò, satria tsy nivadika mihitsy i Jesosy ary efa nanome ny ainy.—Romanina 5:21.
a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.—Salamo 83:18.