FANAZAVANA ANDININ-TENY
Matio 11:28-30: “Mankanesa atỳ Amiko, ... fa Izaho no Hanome Anareo Fitsaharana”
“Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mitondra enta-mavesatra, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.”—Matio 11:28-30, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
“Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”—Matio 11:28-30, Fandikan-teny Protestanta.
Inona no tian’ny Matio 11:28-30 holazaina?
Nanasa ny olona nihaino azy i Jesosy mba hanatona azy. Nanome toky azy ireo izy hoe raha mianatra aminy ry zareo dia ho velombelona.
“Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mitondra enta-mavesatra.” Toy ny hoe ‘nitondra enta-mavesatra’ ireo olona nasain’i Jesosy. Noteren’ny mpitondra fivavahana hanaraka didin’olombelona sy fomban-drazana mantsy izy ireo. (Matio 23:4; Marka 7:7) Tototry ny olana ny ankamaroan’ny olona tamin’izany, ary niasa mafy nefa zara raha nahazo izay nilainy.
“Hamelombelona anareo aho.” Nampanantena i Jesosy fa hanome fitsaharana, izany hoe hamelombelona an’izay manaiky an’ilay fanasana. Ahoana no nataony? Nampiany izy ireo mba hahatakatra hoe inona marina no tian’Andriamanitra hataon’izy ireo. (Matio 7:24, 25) Nanafaka azy ireo tsy ho andevozin’ny hevi-diso sy ny fombafomba ara-pivavahana nampahory an-dry zareo izany. (Jaona 8:31, 32) Marina hoe nitaky ezaka ny nianatra sy nankatò ny fampianaran’i Jesosy. Ho velombelona anefa ry zareo raha nanao an’izany.
“Ento ny ziogako ka mianara amiko.” Taloha dia nampiasa zioga ny olona matetika rehefa hitondra enta-mavesatra. Napetrak’izy ireo teo an-tsorony ilay zioga. Ilay teny hoe “zioga” àry dia lasa nidika koa hoe manaiky ny fahefan’ny olona iray sy manaraka ny tari-dalany. (Levitikosy 26:13; Isaia 14:25; Jeremia 28:4) Ilay hoe “mianara amiko” dia azo adika koa hoe “araho ny diako”, na “miezaha ho lasa mpianatro.” Nampirisika an’ireo mpihaino azy àry i Jesosy mba ho lasa mpianany, izany hoe hanara-dia azy sy hanahaka ny modely nomeny.—Jaona 13:13-15; 1 Petera 2:21.
“Ho velombelona ianareo.” Tsy nampanantena akory i Jesosy hoe tonga dia hifarana avy hatrany ny olana rehetra nahazo ny mpihaino azy. Nampiany kosa izy ireo mba hahazo fampiononana sy fanantenana. (Matio 6:25-32; 10:29-31) Tsapan’ireo nanara-dia azy sy nanaiky ny fampianarany fa tsy nanavesatra ny nanompo an’Andriamanitra fa tena nahafa-po.—1 Jaona 5:3.
“Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” Tsy hoatran’ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny i Jesosy fa nanetry tena sy nalemy fanahy. (Jaona 7:47-49) Tsy nasiaka mihitsy izy na nampijaly olona fa tsara fanahy sy mora hatonina. Tsy nitaky be loatra tamin’ny mpanara-dia azy izy. (Matio 7:12; Marka 6:34; Lioka 9:11) Nasehony an-dry zareo hoe inona no tokony hatao raha tian-dry zareo hoe hamindra fo aminy Andriamanitra. Natorony an-dry zareo koa hoe tena ho velombelona izy ireo raha manana feon’ny fieritreretana madio. (Matio 5:23, 24; 6:14) Tsy hoe nanintona ny olona fotsiny ny toetran’i Jesosy, fa nahatonga an-dry zareo hanaiky hitondra ny ziogany sy ho lasa mpianany koa.
Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Matio 11:28-30?
Nilaza an’ireo teny ao amin’ny Matio 11:28-30 ireo i Jesosy tamin’izy nitory tany Galilia, tamin’ny taona 31. Ny apostoly Matio irery no mpanoratra Filazantsara nanoratra an’io fanasana nataon’i Jesosy io. Jiosy izy ary mpamory hetra taloha. Fantany tsara àry hoe nampijaly ny vahoaka ny hetra notakin’ny Romanina sy ny zavatra tsy nety nataon’ny fivavahana jiosy. Azo antoka àry fa nampahery azy ny nahita an’i Jesosy nampiasa ny fahefana nomen’i Jehovah a Rainy, mba hanasana ny olona ambany sy niharan’ny tsy rariny hanatona azy.—Matio 11:25-27.
Asongadin’ny Filazantsaran’i Matio ireo toetra miavaka nananan’i Jesosy. Izy ilay Mesia nampanantenaina sady ho mpitondra ny Fanjakan’Andriamanitra.—Matio 1:20-23; Isaia 11:1-5.
Jereo ity video fohy ity mba hahitanao ny mombamomba ny bokin’i Matio.
a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”