FANAZAVANA ANDININ-TENY
Apokalypsy 21:4: “Hofafany ny Ranomaso Rehetra”
“Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
“Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4, Fandikan-teny Protestanta.
Inona no tian’ny Apokalypsy 21:4 holazaina?
Tsy mampanantena fotsiny Andriamanitra hoe hanala ny fahoriana sy ny fijaliana mahazo ny olombelona amin’izao fa hanala ny antony mahatonga an’izany koa.
“Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo.” Manamafy an’ity fampanantenan’i Jehovah a noresahin’i Isaia mpaminany ity ireo teny ireo: ‘Hofafany ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.’ (Isaia 25:8; Apokalypsy 7:17) Mitomany na latsa-dranomaso ny olona rehefa maty ny havany na ny namany akaiky, na misy antony hafa mampijaly azy. Hita avy amin’ireo teny ireo hoe tena tia sy miahy an’ireny olona ireny Andriamanitra.
“Tsy hisy intsony ny fahafatesana.” Mampanantena Andriamanitra fa hesoriny ny fahafatesana sy ny fijaliana rehetra vokatr’izany. Tsy vitan’izay fa hatsangana koa ny maty. (1 Korintianina 15:21, 22) “Hofoanana” àry “ny fahafatesana.”—1 Korintianina 15:26.
“Tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” Tsy midika akory io fampanantenan’Andriamanitra io hoe lasa tsy hahatsapa fanaintainana intsony mihitsy ny olombelona, anisan’izany ny fanaintainana ara-batana izay mampitandrina antsika hoe misy zavatra mety hampidi-doza na handratra antsika. Ny tiany holazaina kosa dia hoe tsy hisy intsony ny fanaintainana rehetra vokatry ny ota b sy ny tsy fahalavorariana, na ara-tsaina izany, na ara-pihetseham-po, na ara-batana.—Romanina 8:21, 22.
“Efa lasa ny zavatra taloha.” Mamintina an’ireo fiovana goavana hitranga eo amin’ny olombelona io famaranan-teny io. Misy boky iray milaza hoe: “Ny fomba fiaina nahazatra ny olombelona hatramin’izay dia hoe tsy azo ialana ny fahafatesana, ny alahelo, ny ranomaso, ary ny fanaintainana. Hisolo fomba fiaina vaovao io fomba fiaina taloha io.” Ho tanteraka àry ilay fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany hoe hankafy fiainana tsara be eto an-tany ny olona mandrakizay.—Genesisy 1:27, 28.
Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Apokalypsy 21:4?
Miresaka ny zavatra hitany tao amin’ny fahitana iray ny apostoly Jaona, eo am-piandohan’ny toko faha-21. Hoy izy: “Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho.” (Apokalypsy 21:1) Mampiasa teny an’ohatra izy eo mba hilazana hoe hisy fiovana goavana hitranga. Miresaka an’io fiovana io koa ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly. (Isaia 65:17; 66:22; 2 Petera 3:13) Hanala ny fitondran’olombelona rehetra ny fitondram-panjakan’Andriamanitra any an-danitra, na ilay “lanitra vaovao”, ary hanjaka amin’ny “tany vaovao”, izany hoe vahoaka vaovao hiaina eto an-tany.—Isaia 65:21-23.
Inona no mampiseho hoe fiainana eto an-tany no resahin’io fahitana io? Voalohany, manomboka amin’ireto teny ireto ilay fampanantenan’Andriamanitra: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra.” (Apokalypsy 21:3) Tsy ho an’ny anjely any an-danitra àry ilay fampanantenana, fa ho an’ny olombelona eto an-tany. Faharoa, miresaka tontolo iray ‘tsy hisy fahafatesana intsony’ ilay fahitana. (Apokalypsy 21:4) Mbola tsy nisy tany an-danitra mihitsy ny fahafatesana, fa ny olona eto an-tany ihany no itrangan’izany. (Romanina 5:14) Ara-dalàna àry isika raha milaza fa zavatra hitranga eto an-tany no voalazan’io andininy io.
Jereo ity video fohy ity raha te hahafantatra mombamomba ny bokin’ny Apokalypsy ianao.
a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”
b Araka ny Baiboly, ny ota dia izay rehetra mifanohitra amin’ny fitsipik’Andriamanitra, na zavatra atao izany, na fihetseham-po, na eritreritra. (1 Jaona 3:4) Manota koa ny olona iray raha tsy manao izay tokony hataony. Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Atao hoe Ota?”