Fanamboarana ny mpamaky efijery

Ho any amin'ny fizarana lehibe

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

MIFOHAZA! JANOARY 2013

NISEHO TATO

 MATOAN-DAHATSORATRA

Ampio ny Zanakao mba Tsy ho Tia Tena

AFAKA ny ho tsara fanahy amin’ny hafa isika isan’andro. Toa tsy mahalala afa-tsy ny tenany anefa ny olona maro. Hita izany na aiza na aiza. Eo ireo sahy manambaka ny hafa, tsy miraharaha olona rehefa mitondra fiara, mora misafoaka, ary tia miteny ratsy.

Manjaka koa ny fitiavan-tena ao amin’ny tokantrano maro. Misy mpivady misaraka, ohatra, satria ny iray te hiaraka amin’ny olona lazainy fa tsara kokoa. Mety ho ny ray aman-dreny mihitsy aza no mahatonga ny zanany ho tia tena. Mampihanta loatra ny zanany mantsy izy ireo sady tsy sahy manafay azy.

Mampiofana ny zanany hihevitra ny hafa kosa ny ray aman-dreny maro, ary tena mitondra soa izany. Mora mahazo namana sy mahay mifandray amin’olona ny ankizy toy izany. Azo inoana kokoa hoe sambatra izy ireny, satria milaza ny Baiboly fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

Handray soa ny zanakao raha tsara fanahy sy tsy tia tena, na dia tia tena aza ny mpiara-belona aminy. Ahoana no azonao anampiana azy? Hodinihintsika izao ireo zavatra telo mety hahatonga ny zanakao ho tia tena sy izay azonao atao mba tsy hitrangan’izany.

 1 Dokafana loatra

Olana: Voamariky ny mpikaroka fa tanora maro no manambonimbony tena rehefa miasa, ary manantena ny hisondrotra haingana na dia zara raha mendrika an’izany aza, na tsy mendrika mihitsy. Manantena fisondrotana ny sasany nefa mbola tsy hainy akory ny asany. Mihevitra ny tenany ho miavaka indray ny hafa ka manantena ny hohindrahindraina, ary tsy faly rehefa tsy atao an’izany.

Inona no mahatonga an’ilay olana? Mety ho ny fomba nitaizana azy no mahatonga ny sasany hanambonimbony tena. Lasa mihevi-tena ho zavatra loatra, ohatra, ny olona tato ho ato ary misy vokany be eo amin’ny ray aman-dreny izany. Toa mitombina mantsy ilay hevitra hoe: ‘Mahasoa ny ankizy ny deraina kely ary vao mainka tsara raha deraina be izy.’ Misy koa mihevitra hoe ho kivy ny ankizy raha vao kianina. Raha manao izany ianao eto amin’ity tontolo feno olona mihevi-tena ho zavatra ity, dia heverina ho tsy mahay mitaiza. Tsy azo atao mihitsy, hono, ny mampalahelo ny ankizy.

Lasa mandokadoka loatra ny zanany àry ny ray aman-dreny maro, na dia tsy mendrika an’izany akory aza ny zanany. Hindrahindraina daholo ny zava-bitan’ilay ankizy na tsy misy dikany aza, ary tsy raharahaina ny fahadisoana ataony na dia lehibe aza. Mila manao an’izany, hono, ny ray aman-dreny mba hahatonga ny zanany hatoky tena. Ny hahatsapan’ny zanany hoe mahavita zavatra no imatimatesan’ny ray aman-dreny, nefa tsy ampiany akory izy ireo mba tena hahavita zavatra.

Ahoana hoy ny Baiboly? Lazain’ny Baiboly fa mety ny manao teny fiderana rehefa mendrika an’izany ny olona iray. (Matio 25:19-21) Tsy hihevi-tena araka ny tokony ho izy anefa ny zanakao raha dokafanao foana, satria fotsiny hoe tianao hahatsapa ho mahavita zavatra. Hoy ny Baiboly: “Raha misy mihevi-tena ho zavatra nefa tsinontsinona, dia mamita-tena izy.” (Galatianina 6:3) Izany no mahatonga ny Baiboly hanoro hevitra ny ray aman-dreny hoe: “Aza misalasala manafay zanaka, fa tsy ho faty izy raha kapohinao.” *Ohabolana 23:13.

Inona no azonao atao? Miezaha hanafay ny zanakao rehefa ilaina izany, ary hidera azy rehefa tena mendrika an’izany izy. Tsy mety ny manao teny fiderana mba hahatsapany fotsiny hoe mahavita zavatra izy. Hoy ny boky Taranaka Tia Tena (anglisy): “Tena hatoky tena ianao raha miana-javatra sy manatsara tsikelikely ny talentanao. Tsy ho toy izany kosa ianao raha ilazana fotsiny hoe miavaka.”

‘Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina, fa ataovy tanjona ny ho tonga olona misaina tsara.’—Romanina 12:3

 2 Arovana loatra

Olana: Maro amin’ny tanora miasa no mbola tsy vonona hiatrika olana. Tezitra ny sasany raha vao kianina kely fotsiny. Ny hafa indray miaingitraingitra ka tsy mety miasa raha vao tsy ilay asa eritreretiny. Nilaza, ohatra, ny Pr. Joseph Allen, ao amin’ny boky iray fa niresaka toy izao ny tanora iray nitady asa tao aminy: “Hitako hoe mety hankaleo ihany ny asa sasany. Tsy tiako anefa izany.” Hoy ilay profesora: “Toa tsy takatr’ilay tanora mihitsy hoe tsy maintsy hisy zavatra mankaleo amin’ny asa rehetra. Ahoana no tsy ahalalany an’izany nefa izy efa 23 taona?”

Inona no mahatonga an’ilay olana? Ray aman-dreny maro, tato ho ato, no miaro ny zanany satria tsy tiany hahita olana izy ireny. Raha tsy afa-panadinana, ohatra, ny zanany vavy, dia asainy ampitomboin’ny mpampianatra ny naotin’ilay zaza. Raha nosazin’ny polisy ny zanany lahy rehefa nitondra fiara, dia izy no mandoa ny lamandy. Raha nisaraka tamin’ny olon-tiany indray ny zanany, dia lazainy fa ny ankilany ihany no diso.

Ara-dalàna raha te hiaro ny zanakao ianao. Raha arovana loatra anefa ny ankizy, dia hihevitra fa tsy tompon’andraikitra amin’izay ataony. Hoy ny boky Fifehezana Mahasoa ny Tanora (anglisy): “Lasa tsy mahalala afa-tsy ny tenany ny ankizy [toy izany], ary mihevitra fa tsy maintsy manao zavatra ho azy ny ray aman-dreniny sy ny olona manodidina azy. Tsy mba mianatra mandresy zava-tsarotra na hakiviana izy ireo, na mba mandray lesona avy amin’izany.”

Ahoana hoy ny Baiboly? Tsy maintsy misy olana foana eo amin’ny fiainana. Hoy ny Baiboly: “Mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.” (Mpitoriteny 9:11) Anisan’izany ny olona tsara. Niatrika olana isan-karazany, ohatra, ny apostoly Paoly nandritra ny fanompoany. Nahasoa azy anefa izany! Hoy izy: ‘Efa nianatra ny hianina aho na inona na inona toe-javatra misy ahy. Efa nianatra ny ho voky sy ho noana aho, ary ny hanam-be sy hihafy.’—Filipianina 4:11, 12.

Inona no azonao atao? Ezaho ampiharina ity toro lalan’ny Baiboly ity, arakaraka ny fahamatoran’ny zanakao: ‘Samy hitondra ny entany avy ny tsirairay.’ (Galatianina 6:5) Raha nasain’ny polisy nandoa lamandy ny zanakao lahy, dia mety ho tsara raha aloany amin’ny karamany na ny vatsim-pianarany izany. Raha tsy afa-panadinana ny zanakao vavy, dia mety ho tsapany hoe mila miomana kokoa izy amin’ny fanadinana manaraka. Raha nisaraka tamin’ny olon-tiany indray ny zanakao lahy, dia ampaherezo izy nefa koa ampio hisaintsaina hoe: ‘Inona no zavatra mbola tokony hiezahako, rehefa mandinika an’iny zava-nitranga iny aho?’ Lasa mora matoky tena sy mahay miarina ny ankizy zatra miatrika olana. Mety tsy hanana an’izany toetra izany izy ireo raha misy miaro foana.

“Aoka kosa ny tsirairay samy handinika izay ataony avy. Amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy.”—Galatianina 6:4

 3 Totofana an’izay tadiaviny

Olana: Nisy fanadihadiana iray natao tamin’ny tanora, ka ny 81 isan-jatony no nilaza fa aleony lavitra ‘lasa mpanankarena’ toy izay hanampy ny hafa. Tsy mahafa-po anefa ny mikatsaka harena. Hita tamin’ny fikarohana fa tsy sambatra sy mora miady saina ny olona mifantoka amin’ny harena. Izy ireo koa no mora marary sy mikorontan-tsaina indrindra.

Inona no mahatonga an’ilay olana? Manankarena ny ray aman-dreny sasany. Hoy ny boky Mihanaka toy ny Aretina ny Fitiavan-tena (anglisy): “Tian’ny ray aman-dreny ho sambatra ny zanany. Ny ankizy indray te hahazo zavatra, dia ividianan’ny ray aman-dreniny. Faly ny ankizy nefa vetivety fotsiny izany. Mbola mangataka zavatra hafa indray izy avy eo.”

Manararaotra an’ireo mpanjifa tia mividy zavatra ny mpanao dokam-barotra. Mitovitovy amin’izao ny hevitra aeliny: ‘Mendrika ny tsara indrindra ianao’, ary ‘zonao izany!’ Voataonan’izany ny tanora maro ka lasa bokan’ny trosa satria tsy mahaloa ny vidin’ireo zavatra lazaina fa “mendrika” azy.

Ahoana hoy ny Baiboly? Milaza ny Baiboly fa ilaina ny vola. (Mpitoriteny 7:12) Mampitandrina koa anefa izy fa ny ‘fitiavam-bola no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.’ (1 Timoty 6:10) Mampirisika antsika ny Baiboly mba tsy hikatsaka harena fa hahay hianina amin’izay tena ilaina.—1 Timoty 6:7, 8.

“Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanankarena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba.”—1 Timoty 6:9

Inona no azonao atao? Diniho ny fiheveranao ny vola sy ny zavatra azo vidina, raha ray aman-dreny ianao. Fantaro izay tena tsy maintsy vidina, ary ampio hanao an’izany koa ny zanakao. Hoy ihany ilay boky hoe Mihanaka toy ny Aretina ny Fitiavan-tena: “Azonao dinihina miaraka amin’ny zanakao ny fanontaniana toy ny hoe: ‘Rahoviana no ilaina ny mividy zavatra iray, ary rahoviana izany no tsy tsara?’ ‘Inona no atao hoe trosa misy zana-bola?’ ‘Oviana ianao no nividy zavatra iray satria nisy nampirisika anao hanao izany?’ ”

Mitandrema mba tsy hividividy “zavatra” satria hoe te hanadino ny disadisa tokony halamina ao an-trano. Hoy ny boky Tambin’ny Fahombiazana (anglisy): “Tsy mahalamina olana ny mividy zavatra. ... Ny fisainana sy ny fahendrena ary ny fangorahana no mahalamina olana fa tsy ny kiraro sy ny poketra.”

^ feh. 11 Tsy mampirisika ny fampijaliana ankizy ny Baiboly, na mivantana izany na tsia. (Efesianina 4:29, 31; 6:4) Natao hampianarana ny famaizana fa tsy natao hanamparana fahatezerana.